Raha tany Dago aho...

2006-06-25 @ 22:03 in Eritreritra mandalo

Mandeha ao amin'ny forum serasera.org ao hoe ny gasy miasa aty ivelany dia manompo vazaha... (Tsy hainy aloha ny dikan'ny hoe miasa :-)), ka raha hanompo ihany ve hono tsy aleo manompo gasy?

Voalohany aloha, izaho tsy hanompo Gasy. Tahaka ny tsy hanompoako vazaha koa no tsy hanompoako Gasy. Efa tapitra ny andron'ny fifanompoana. Efa andron'ny fifanampiana sy fiaraha-miasa izao. Ny mpampiasa mila ahy ary izaho mila ny mpampiasa ahy. Mipetraka tsara ny fifanarahana amin'ny voalohany, ary ao anaty fahafahana tanteraka aho mifidy ny hanao ny asako sy handray ny valin-kasasarako, tsy nisy nanery. Tsy mahatsiaro tena ho manompo aho izany, ary raha manao ny asako araka ny tokony ho izy aho dia tsy noho ny hoe vazaha ny mpampiasa ahy, fa noho ny fahatsapako fa adidiko ny manao ny asako tsara.

Fa ho an'ireo izay milaza hoe aleo mandeha any Dago ary dia tiako holazaina hoe raha tany Dago aho dia inona no mety ho zavatra nitranga?
 
- Aty andafy aho ohatra moramora kokoa ny mitady asa ka rehefa hitako fa tsy mifanaraka amiko ny asa tiana hampanaovina ahy dia mitady hafa indray aho (indrindra raha tsy mifidy loatra). Any Dago anefa firifiry ny ingénieurs any no tsy mahita asa hifanaraka amin'ny fari-pahaizany akory?
- Aty andafy aho ohatra miasa 38 heures / semaine dia mahavelona ahy ka afaka manao zavatra hafa hanasoavana ny hafa any Dago ny ambiny (fianakams, associations, namana sns)... Raha tany Dago, ohatrinona no azon'ny olona homena ahy? :-) Mijery ireo olona niarakaraka tamiko aho fa tena sahirana.
- Aty andafy aho ohatra betsaka ny infrastructures ahafahako manangana site, mampiantrano, manatsara azy sy mijery azy isanandro (ADSL sns). Raha tany Dago aho (efa tany) ohatrinona no vola ho laniko vao afaka hijanona tsy mihetsika eo amin'ny ordinatera misy internet 24 ora isanandro? Ampahafirin'ny karamako?

Sombiny ihany ireo ary azo atao lavalava kokoa.

Ny fitadiavana dia tahaka ny varotra ihany, matoa mbola manohy dia mahazo tombony izay. Asehoy ny tombony amin'ny fodiana any Dago, fa tsy adala akory ka hilona aty raha toa ka misy tombony kokoa any. Fa raha mbola simbaina amin'ny adilahy politika, amin'ny népotisme sy amin'ny fanavakavahana ara-poko ny mety ho anjara-masoandron'ny tanora any Dago dia aleo hilentika aty ihany.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry