Mametraha kely...

2007-11-28 @ 16:48 in Eritreritra mandalo

Tsy misy ifandraisany amin'io teny io mihitsy ity sary apetrako eto ity. Ny sary dia mampiseho Raozy dia izay hita teny andalana ho any Ranomafana.
Raozy diaFa ny zavatra tiako hampitaina dia io fomba fiteny iray io. "Mametraha kely". Manjary fiteny faheno manerana an'i Madagasikara. Rehefa avy miasa ho anao, na koa te handresy lahatra anao hoe niasa ho anao ny olona iray dia miteny an'io "Mametraha kely" io. Mangataka valiny ankolaka. Mametraha vola kely fa mba nisy nataoko ihany teo.

Ny mampiavaka an'io "Mametraha kely..." io dia noho izy tsy manery ary tsy misy fetra... tahaka ny rakitra any am-piangonana. Ary tsy hoe mametraka alohan'ny "service" fa "service" aloha dia mametraka izay foy ianao. Resaka feon'ny fieritreretana ny sisa.

Toerana sy fotoana mety handrenesanao ny "Mametraha kely..."

- Rehefa maka ny fiara avy nipetraka teo amin'ny "parking"-mbahoaka. Mipoitra tampoka avy any ry zalahy dia miteny hoe "Mametraha kely...". Niandry sy nijerijery ny fiaranao hono izy. Tsy nifanarahana anefa izany. Azonao atao ny mametraka raha tianao.

- Rehefa avy maka taratasy any amin'ny birao-mpanjakana ianao dia mijerijery anao amin'ny maso manahirana ilay madama ngezangeza iny dia miteny moramora hoe "Hametraka kely?" Io ilay "Mametraha kely" en mode mahalala fomba. Tsy manao tsolotra izy amin'io (bye bye bianco) fa izay nahim-ponao ihany no ataonao. Mandray ny karamany koa izy (aza ampatsiahivina azy) na dia kely aza... fa rehefa tsy hametraka kely ianao tsy maninona.

- Rehefa sendra mandeha hariva eny amin'iny Behoririka iny ianao... dia tonga dia misy miteny fotsiny hoe "Mametraha kely zoky e...". Tsy niasa ho anao izy, tsy nampianao... fa angamba mila mandoa saram-pandalovana eo amin'ilay "zone rouge"-ny ianao. Raha tsy manome ianao dia tsy hanendaka akory izy fa aza matahotra.

Koa raha manana hapetraka dia mba mametraha kely fa ifanampiana ny fiainana e. Izay apetraka ihany no mety halaina any aoriana :-) 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry