« | »

Sigaretta Elettronica

2013-04-15 @ 17:54 in Eritreritra mandalo, Fiaraha-monina

Fampidirana kely tsy misy idirany mihitsy. Samy naheno ny vaovao politika omaly hariva avy any Afrika Atsimo ny ankamaroan'ny Malagasy. Nipoaka be ilay vaovao ho an'ny sasany, tsy nampoizina ho an'ny hafa, fa maro koa no efa nanampo. Lalao Ravalomanana izany no natolotry ny vadiny hirotsaka ho fidina ho filoham-pirenena amin'ny fifidianana manaraka izay mbola tsy tena fantatra hoe rahoviana. Politika avo lenta indray io ka tsy idirako lalina fa na izany na tsy izany dia mahafaly ahy rehefa vehivavy na iza na iza no sahy mijoro. Miandry mafy an'i Onitiana Realy koa ny tenanay ankoatra an'i Brigitte Rasamoelina sy SGR dia ho hita izay tena vehivavy nosoran-dreniny menaka. Maninona moa raha tonga dia hoe amin'ny fifidianana manaraka tsy mahazo milatsaka hofidina ny lehilahy e? :-)

Fa izany eo ihany fa misy zavatra anisan'ny mba nahafaly ahy ny firoborobon'ny Sigara Elektronika na e-sigara indrindra eto Italia. Ny eto mantsy ny mpifoka sigara dia tena tsy mahalala fomba mihitsy ka tsy manaja ireo izay tsy mifoka manodidina azy. Efa betsaka ny toerana tsy azo ifohana sigara fa na izany aza dia tsy mampaninona azy ireo mihitsy ny manatona anao rehefa hifoka sigara izy. Koa amin'izao fahatongavan'ny e-sigara izao dia azo antoka fa raha misy ny aretina dia mba izy ireo ihany no voany fa tsy ny tsy mpifoka koa.

Na izany na tsy izany araka ny voalaza dia mety hampihena be dia be ny salam-pahavoazan'ny homamiadana vokatry ny sigara ny fisian'ity e-sigara ity. Tsy misy afo mirehitra mantsy fa karazana fofona miampy nicotine fotsiny no trohana. Noho izany dia tsy misy intsony ny faikan-tsetroka izay mampalaza hoe maha-mainty ny havokavoky ny mpifoka sigara.

Iriko mihitsy raha mba miely any Madagasikara hisolo ny sigara tsotra koa ny e-sigara. Farafaharatsiny mba mihena ny mararin'ny sigara na ny mpifoka na ny manodidina azy. Mbola nofinofy ihany nefa izany satria mbola lafo ny vidin'ny e-sigara. Ny "tige" fotsiny izao no efa mahatratra 50 Euro dia avy eo ny "parfums" tsirairay ao anatiny mbola hafa koa ny vidiny.

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry