Herinandron'ny Teny malagasy : Fandraisana anjara

2011-03-23 @ 14:55 in Eritreritra mandalo

Tsy fantatro tsara na oviana na oviana ilay herinandro, ary tsy haiko na ofisialy na any amin'ny FB ihany, fa rehefa henoko teto ilay izy dia mba iny koa aho hiteny kely. Tsy zoivina amintsika intsony angamba (rehefa midoka tena kely) fa anisan'ny loha laharana amin'ny teny malagasy eto amin'ny internet ny takelaka serasera.org. Ny toe-tsaina, toe-po, sy toe-panahy malagasy no nentina teto nandritra izay 11 taona izay ka na dia tsy vita aza ny nandika teny malagasy ara-teny (mot-à-mot) ny zavatra rehetra dia ao anaty ao hatrany ireo toetra malagasy ireo.

Wikipedia-logo-mgDia mbola izay toe-tsaina izay ihany koa no anentanako antsika amin'ity herinandro ity. Andao indray handray anjara amin'ny Wikipedia, ilay Raki-pahalalàna Malagasy Jereo eto. Ny Wikipedia, ho an'izay mbola tsy mahalala, no raki-pahalalana goavana indrindra amin'ny internet, misy amin'ny teny maro. Ny teny malagasy dia nanomboka noraisina an-tanana manokana tamin'ny taona 2005. Betsaka tamintsika no efa nandalo, nameno, nanoratra, nanitsy tao... ka amin'izao fotoana anoratako izao dia misy lahatsoratra 3810 ao. Vitsy dia vitsy raha mihoatra amin'ny 6 taona sy ny isan'ny Malagasy afaka manoratsoratra ao amin'ny Internet.

Na inona na inona sampana misy anao, na sampana anananao fahalalàna be be kokoa, dia azonao atao ny manoratra. Izay kely fantatra, na izay kely hita tamin'ny boky sns. Ny tanjona dia manoratra, manoratra, manoratra... ary aza matahotra hoe sao hilaza diso satria misy olona hanitsy sy hanamarina ihany ao. Apetraho tsara fotsiny ny loharano nanovozanao izay fahalalàna apetrakao.

Asa hahazo lahatsoratra firy isika mandritra io herinandro io.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry