Ny internet... resa-trondro

2007-05-07 @ 11:11 in Eritreritra mandalo

Androany maraina aho dia very minitra maromaro teto amin'ny internet. Ny antony dia nisy zavatra iray maika izay notadiaviko tao amin'ny internet (mikasika ny SSO & Authentication) ary nahita be dia be tokoa... saingy tsy nisy azo noraisina. Tsy ao amin'ny ilako azy daholo. Dia izany tokoa matetika ny internet. Raha tany amin'ny bibliothèque aho dia fantatro hoe aiza no hahitana ny zavatra iray dia tsy maintsy misy vokany ny zavatra azoko avy ao satria voafintina kokoa ny sehatra  hikarohana. Dia mitovy amin'ny manarato ihany.
Misy fomba roa hahazoana trondro. Manjono sy manarato. Raha manjono ianao dia lany fotoana miandry ny trondro hanaikitra, fa rehefa manaikitra izy dia tsy maintsy trondro no miakatra avy any. Ny manarato kosa dia tsy misy fotoana hiandrasana ela fa tonga dia mandraoka fotsiny. Rehefa avy eo vao lany fotoana misafidy izay ilaina... indraindray tsy misy trondro mihitsy ao anaty harato.

... dia tahaka an'io manarato io ny eto amin'ny Internet. 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry