Hanova DVD ho AVI

2007-09-07 @ 16:09 in Informatika, Fampianarana

Ity dia fomba iray izay hanovana ny kapila DVD ho fichier AVI, mba hahafahana mitahiry azy ao anaty CD, na koa mamoaka azy amin'ny Internet, na mandritra azy ho sarimihetsika vaovao indray (manao montage). Ny fichiers ao anaty DVD mantsy dia tsy voavakin'ny fitaovana rehetra.

Ny fitaovana fampiasako sady tsotra dia ny Auto Gordian Knot (AutoGK). 

1. Alaivo eto ny AutoGK, mifidiana amin'ireo Mirrors ireo (ohatra hoe mirror1) dia installer-o ao amin'ny ordinatera. Misy fitaovana maromaro miaraka miditra aminy ka ilaina installer-na daholo fotsiny.
Sokafy avy eo ilay AutoGK (Démarrer -> Programmes -> AutoGK -> AutoGK). Toa izao no zavatra hohitanao voalohany.

 

 

2. Ery ambony akaikin'ilay hoe Input File:  dia tsindrio ilay dossier kely ery ankavanana ery. Haka ny fichiers ao anaty DVD no tanjontsika amin'izao fotoana izao.

 

3. Tadiavo ny toerana misy ny DVD dia sokafy (izany hoe tsindrio indroa foana) ilay DVD mandra-pahitanao fichiers maromaro (mety ho ao anaty répertoire hoe VIDEO_TS)

 

4. Sokafy (tsindrio indroa) ny fichier VOB voalohany (raha misy hadisoana dia sokafy ny faharoa :-))
Toa izao ny zavatra ho hitanao. Mariho fa tonga dia nofenoiny koa ilay Output file.


Ny Output file dia ny toerana sy anarana hametrahantsika ny fichier video efa voaova (sy vaovao).
Tsindrio indray ilay sarikely ery ankavanana ery dia tadiavo hoe aiza no tianao hametrahana ny Fichier vaovao.

 

5. Misy safidy maromaro azo ampiharina rehefa avy eo.

  • Raha misy Teny maromaro ilay DVD (ohatra Frantsay sy Italiana) dia azo fidina ny teny tokony hiaraka amin'ilay fichier vaovao.
  • Toa izany koa afaka fidina ny sous-titre raha toa ka ilaina.
  • Afaka mifidy fetran'ny haben'ilay fichier vaovao ianao (ohatra hoe atao omby CD iray) eo amin'ilay hoe Predefined size.



6. Rehefa vita ny safidy isankarazany amin'io fichier iray io dia tsindrio ilay hoe Add Job



Vonona izay ny Fichier voalohany, dia ataovy toa izay koa ny fichier faharoa (izany hoe tadiavina sy apetraka eo amin'ny Input file indray ny fichier VOB faharoa.

Rehefa voafidy daholo ny fichiers VOB tiana hovaina dia tsindrina ilay hoe Start dia miandry (io no ela indrindra :-)

Vita

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry