Todo: ny voalohany no ambony

2006-03-28 @ 22:35 in Ankapobeny

Amin'izao fotoana izao ao amin'ny blaogy.com dia ny lahatsoratra
farany nampidirina no miseho voalohany. Izay aloha no tokony ho izy
amin'ny blaogy rehetra.
Fa amin'izao dia hitako misy mampiditra tantara. Ka asa mety ho
tsaratsara raha ohatra ka asiana safidy hoe ny lahatsoratra voalohany
ampidirina no miseho voalohany dia mitohy hatrany. Lojika kokoa io ho
an'ny tantara izay tohizana hatrany... Izany hoe rehefa vita ilay izy
dia mamaky eo amin'ny voalohany ny olona dia avy eo mamaky ny tohiny.
Raha mahaliana io dia hojerevana ny hanaovana azy.

Manina anao...

2006-03-28 @ 04:21 in Ankapobeny

Nanoratra ho ahy i Kolonjy avy any Ostia sady nandefa sary... Izy mianakavy.

Any Hery (Nanadino...snif)

Voaterin'ny fahanginan'ny maro antrano aho ka nanoratra ity silabato ity ho anao. Asa na fantatrao fa hatramin'izay naha ririnina ny andro izay dia tena fahanginana tanteraka no manjo anay aty. Nisy ihany ireo mbola sahisahy nirobo-drano fa tsy ela dia tratry ny gripa mahery. Ny ranon'erika nifafy tsy nisy toa izany. I Karangana rahavaviko io (ndlr. satria vehivavy i Kilonjy) loadoaky ny havandra... tsy nanan-kialofana. Ny loza koa dia na ny huitres izay hany namanay aza dia nendahina taminay indray tamin'ny desambra teo. Hanao noely hono ianareo...
Dia izahay mianakavy kely sisa no eto. Mijery faravodilanitra... mivangongo fa mangatsiaka.
Iny alefako aminao iny ny sarinay, ahitanao fa manirery tokoa e. Mbola io ilay toerana fakànareo aina... rehefa ianao ilay miankina amiko iny. Mbola io ny fasika filalaovantsika baolina... euh. Na dia natao tsatokazo fotsiny aza aho. Mbola ireny ny singako fanaonao tanisa... tsy nokasihako mihitsy. Sao mandalo tampoka ianao. Dia tadidinao koa ato anelakelako ato? Ilay fitehirizanao ny enta-tsarobidinao rehefa ianao handeha hilomano? Nodioviko ny bozaka izay nitady haniry. Noroahiko ny foza saika hialokaloka. Anao ho'aho io... dia anao irery.
Oviana ianao no tonga? Hiandry ny été sa ho tonga alohaloha toa ilay fanao taloha? Na tsy hilomano aza fa mba hiankinankina amiko? Tongava moa malaky... fa miandry anao zahay. Ento le scoubidou.

Novaliako fotsiny hoe...
"Tsy ho ela... mbola miandry an'ilay masoandro aho."

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Martsa 2006 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Rohy
  • Blogroll
Tahiry