« | »

Video: Sarotra be

2010-09-27 @ 07:19 in Mozika

Tsy hoe titre-na hira akory ilay sarotra be :-). Hitako mbola misy olana be amin'ilay fampiasana ny effets amin'ilay manamboatra video. Miankina amin'ny fitaovana rahateo moa ilay izy. Isaky ny manao preview dia tafakatra 100% ny fampiasana ny cpu amin'ilay ordinatera. Sarotra be, noho izany, ny mampifanandrify tsara ny feo sy ny sary. Ny fond nampiasaina koa dia rindrina fa tsy tabilao maitso ka dia noezahina nesorina aza ilay fond dia tsy tafa... Teo koa moa ny tsy fitandremana ka tsy hitako akory hoe tsy nisy effets ilay beso farany :-)

Fehiny, tsy ara-dalàna tanteraka ity video ity ka tsy maintsy averina. Tsy hofafaiko anefa fa avelako ao ihany ho fahatsiarovana hoe hay efa nandalovana koa ny video tsy mety tahaka izao. Dia ny feony izany aloha henoina tsara :-)

Raha vitako alohan'ny faran'ny herinandro dia hapetrako eto ambany ihany koa ny  version efa mba nahitsy.

Lohateny: O izany diako

Tonony sy feony: Fihirana Katolika

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry