Video: Mamiko indrindra

2010-11-22 @ 22:11 in Mozika

Izao vao miseho ato amin'ny blaogy ny video natao tamin'ny faran'ny herinandro lasa. Raha ny tena izy dia hira fotsiny no tena natao fa ny sary nalaina tao amin'ny tahiry. Sary tamin'ny nandehandeha tany Rimini sy Firenze. Avy mantsy ny orana tamin'iny weekend iny dia tsy tafavoaka mihitsy.Fa ny momba ny hira indray ary. Hira ao amin'ny fihirana hasina izy io. Efa nataonay K7 ihany koa tamin'ny Chorale. Dia mbola tadidiko ilay prelude kely dia nataoko. Ny zava-maneno nampiasaina no novaiko satria tamin'ity dia nataoko gitara daholo ilay izy ary ilay mavesatra "distorted" irony. Niezaka nitady tamin'ny youtube aho hoe inona avy ny zava-maneno ampiasaindry zalahy mpanao metaly ireny rehefa mihira fa toa gitara ihany dia mety. Dia nandramana ho tahaka izay koa ny tamin'ity. Ilay hiran'i Kiaka hoe "Atolotro anao" aloha no mitovitovy base aminy. Ny gadona no tena mitovy dia nezahiko nampidirina tany anatiny tany ny haigony.

Tsiky dia ampy

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry