« | »

Nandresy ny Tompontsika

2011-04-24 @ 22:58 in Mozika

Niezaka namoaka ity hira iray tsy dia mora loatra ity aho androany. Nandresy ny Tompontsika. Hatramin'izay dia ohatry ny maivana be foana ny fetin'ny Paka rehefa tsy mihira ity hira ity. Hany ka na dia amin'ny toerana tsy miteny malagasy aza dia manezakezana rehefa any antrano. Tamin'ity taona ity izany dia niavaka mihitsy ilay hira satria efa hatry ny omaly alina no nibahana sy niverimberina tao an-dohako tao. Ny mahagaga kely fotsiny dia tsy misy teny hoe Aleloia mihitsy ao anatin'ity hira ity.

Tsy hotazomina maharitra fa indro ilay hira. (Raha tsy mbola mitranga dia andraso elaela fa sady mampiditra azy aho io)

Dia manararaotra miarahaba sy mirary soa antsika rehetra noho izao fetin'ny Paka izao.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry