Video Miverena ianao

2011-04-11 @ 22:32 in Mozika

Elaela ihany izay tsy nanao ilay video kely fanaoko isan-kerinandro koa dia nanomboka indray aho tamin'iny faran'ny herinandro iny. Ny olana tamin'ireny video ireny dia fohy loatra ny fotoana nanaovana azy (2 andro raha misy) ka manjary lasa tandra metaka ihany. Misy anefa ireo olona mampiasa azy ireny amin'ny zavatra matotra kokoa (hianarana hira any am-piangonana aty andafy sns). Koa amin'ny manaraka aho dia hiezaka hanao azy tsaratsara kokoa, na ny fandrindrana ny mozika izany na ny feo. Tamin'ny voalohany mantsy ny tanjona dia hoe hihirahira fotsiny dia haka sary... fa raha vao manomboka misy mampiasa toa izany ilay izy dia mila zavatra matomatotra kokoa. Koa ho hita eo ny amin'ny manaraka.

Ity iray ity izany no video farany natao 1 andro, fa manomboka izao dia mba hiezaka hisaina tsara. Hira anakiray tsara amin'izao karemy izao. Miverena ianao o ry mpanota o. Miverimberina ao anatin'ny hira ilay hoe Fiainana sy Lalana ary Fahamarinana. Ny andininy telo, noho izany, dia miventy an'i Jesoa Fiainana sy Lalana ary Fahamarinana.

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry