« | »

Ry Fanahy nomena anay (Video)

2011-06-20 @ 03:33 in Mozika

Ny teny hoe "Pentecôte" dia avy amin'ny grika hoe πεντήκοντα izay midika hoe faha dimampolo. Ny Pantekoty dia andro faha 50 aorian'ny Paka. Fety nodimbiasana avy amin'ny fety jiosy antsoina hoe Chavouot na hoe fetin'ny herinandro, izay nankalazaina ihany koa 50 andro taorian'ny Pessah (Paka jody). Araka ny fitantaran'ny Asan'ny Apostoly Toko 2 dia nandritra ny andron'ny Pantekoty no nidina tamin'ny mpianatra ny Fanahy Masina ka nampivaha ny lelan'izy ireo ho afaka niteny ny fiteny azon'ny rehetra. Nisy fotoana tokoa nanjary tsy nifankahazo fiteny intsony ny olona satria saika hiakatra ho any amin'Andriamanitra ka namorona ny tilikambon'i Babela, fa tamin'ity kosa dia Andriamanitra Fanahy no nidina ka nampifankahazo teny azy ireo indray.

Ndao ary hankalazaina ilay Andriamanitra Fanahy

(Ny sary dia nalalina tamin'ny dianay ho any Ampefy, toerana fandehanan'ny olona rehefa Pantekoty)

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry