Fony i papa toa ahy

2012-12-31 @ 11:38 in Mozika


Anisan'ny tena nahalasa eritreritra ahy tamin'ity vanin'andro androany ity hoe tamin'i papanay nanana izao taonako izao dia inona avy no efa vitany taminay zanany?

Efa teraka daholo izahay 6 mianadahy. Ny faravavy efa 5 taona tamin'izany ary ny lahimatoa efa hifindra kilasy famaranana. Mbola erotrerony tamin'ny asa izy.

Efa betsaka koa ny fandraisana anjara nataonay teo anivon'ny fiaraha-monina... izay namolavolany anay. Ny chorale, ny skoty, ny fikambanana teny am-piangonana, ny lomano, ny judo, ets.

Nahavita zavatra goavana sahady izy, indrindra ho an'ny zanany, efa azo lazaina mihitsy hoe nahalehibe satria kely sisa aho tamin'izany dia afaka bacc. 

Dia mieritreritra ny mba vitako amin'izay aho vao tonga saina hoe nahavita be ny ray amandreny taloha. Zaza iray ara ny anay no velomina, mbola tsy firy taona akory dia efa miha fotsy ny volo ary miha sola ny loha. Marina fa sarotra ny fiainana, nefa na izany aza.

Koa natokako indray ity andro androany ity hisaorana ireo ray aman-dreniko tamin'ny zavatra efa vitany sy mbola ataony amin'izao fotoana izao. Misaotra fa nahavita ny adidinareo ianareo... dia tsofy rano tsara izahay mba hahavita mihoatra izay vitanareo ihany koa amin'ny taranaka amam-para.




Ny tany karakaina omeo orana (video)

2011-07-11 @ 00:22 in Mozika

Androany teto Roma no faran'izay nafana indrindra, misy alerte rouge amin'ny toerana sasany eto afovoany atsimon'i Italia. Antampon'ny hafanana tsara izany amin'izao fotoana izao... dia ny tsaroana dia ireo olona any Toliara izay miaina izany hafanana izany mandavan-taona. Andro vitsivitsy monja ao anatin'ny taona no mba misy orana. Ary ny orana sendra milatsaka dia eken'izy ireo va avy amin'-Ndragnahare. Marina fa misy ny fomba maromaro ataon'izy ireo hangatahana orana kanefa tsy mbola naheno mihitsy aho, hoe ny orana dia andriamanitra (toa ny an'ny Grika sy ny kolotsaina hafa). Andriamanitra ihany no mpanome orana, ka raha tsy ampy na tsy misy orana dia any amin'Andriamanitra izy ireo no manao fombafomba.

Ny tsikaritra dia indraindray ny Kristianina indray no tsy mahasahy mivavaka mangataka orana, menatra angamba na tsy mino. Ka ity hira iray misy hoe "Ny tany karakaina omeo orana, ny foko mitaraina fa te hahita anao". (Andraso kely raha mbola tsy miseho)

Ry Fanahy nomena anay (Video)

2011-06-20 @ 03:33 in Mozika

Ny teny hoe "Pentecôte" dia avy amin'ny grika hoe πεντήκοντα izay midika hoe faha dimampolo. Ny Pantekoty dia andro faha 50 aorian'ny Paka. Fety nodimbiasana avy amin'ny fety jiosy antsoina hoe Chavouot na hoe fetin'ny herinandro, izay nankalazaina ihany koa 50 andro taorian'ny Pessah (Paka jody). Araka ny fitantaran'ny Asan'ny Apostoly Toko 2 dia nandritra ny andron'ny Pantekoty no nidina tamin'ny mpianatra ny Fanahy Masina ka nampivaha ny lelan'izy ireo ho afaka niteny ny fiteny azon'ny rehetra. Nisy fotoana tokoa nanjary tsy nifankahazo fiteny intsony ny olona satria saika hiakatra ho any amin'Andriamanitra ka namorona ny tilikambon'i Babela, fa tamin'ity kosa dia Andriamanitra Fanahy no nidina ka nampifankahazo teny azy ireo indray. (tohiny)

Video: Fantatrao ry Reny

2011-06-05 @ 07:12 in Mozika

Tamin'ny telo herinandro lasa no nanombohako ity hira ity dia omaly vao vita... kanefa mitovy ihany ny vokany. Samy ratsiratsy ihany. Tsy mitombona ihany izany ilay eritreritro tato hoe rehefa vitaina ao anaty roa andro ilay hira dia tandrametaka... fa tena ilay fahaizana mihitsy no tsy ao :-).

 (tohiny)

Nandresy ny Tompontsika

2011-04-24 @ 22:58 in Mozika

Niezaka namoaka ity hira iray tsy dia mora loatra ity aho androany. Nandresy ny Tompontsika. Hatramin'izay dia ohatry ny maivana be foana ny fetin'ny Paka rehefa tsy mihira ity hira ity. Hany ka na dia amin'ny toerana tsy miteny malagasy aza dia manezakezana rehefa any antrano. Tamin'ity taona ity izany dia niavaka mihitsy ilay hira satria efa hatry ny omaly alina no nibahana sy niverimberina tao an-dohako tao. Ny mahagaga kely fotsiny dia tsy misy teny hoe Aleloia mihitsy ao anatin'ity hira ity.

 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry