« | »

Serasera.org tafiditry ny jiolahin-kala :-)

2006-09-07 @ 16:38 in Blaogy Dev

Tratran'ny hackers ny serasera.org androany. Tava mainty no nitranga tao amin'ny takelaky ny namana.serasera.org nandritra ny minitra vitsivitsy tamin'ny 11:07 - 11:15 maraina. Trou de securité izay hita tao amin'ny module anakiray amin'ny Joomla tao amin'ny site iray tato amin'ny serasera.org ilay izy (module pollxt izay navoakan'ny http://www.joomlaxt.com izay hitako hacked koa androany). Efa nanao antso ihany ry zalahy tao kanefa na ny site-ny aza io hacked. Ny nahatonga an'ilay defaced indray aloha dia fanadinoana tamin'ny permissions tao amin'ny repertoire iray tao amin'ny namana... na dia hacked asa ny site dia tokony tsy hisy olana foana raha mirindra araka ny tokony ho izy ny permissions.

Na izany aza, dia azo deraina ihany ny hackers matihanina satria tsy manimba na inona na inona izy fa mampiseho fotsiny hoe afaka manimba. Asehony ilay vulnerability ao amin'ny efitrao... fa tsy mangalatra na manimba :-)

Fotoana maromaro no lany namakiana ny logs vao hita hoe taiza ry zalahy no niditra ary inona no nampiasainy. Inoana fa tsy hisy olana intsony. 

Hevitra

Kay le! Ary ity zany le kozin-dra simp teo!
Fa vetivety ihany izany 8 minitra dia vita izany an ...

Nampidirin'i lapino @ 17:08, 2006-09-07 [Valio]

ary mahery marina ry zalahy izany, izany no tena guru hacker, tsy manimba zavatra. Matetika mantsy ilay olona vao mianatra resaka hacking ireny no manimba zavatra.

Nampidirin'i voromailala @ 19:12, 2006-09-07 [Valio]

Ie hitako koa iny tamin'maraina iny :)

Nampidirin'i fraz @ 19:29, 2006-09-07 [Valio]

Hihihi - vao hitako ilay hoe Hacked by ... miampy fond mainty androany dia maty lolo be zah (hihihi) sady tezitra hoe simbain-dry lerony indray ny serasera kle :( Hay vetivety kely dia niala teo.

Nampidirin'i pissoa @ 19:36, 2006-09-07 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry