Manaova fety sambatra

2010-06-26 @ 06:24 in Politika

Dia miarahaba ny Malagasy nahatratra izao faha 50 taonan'ny nanomezana an-taratasy ny fahaleovan-tena izao.

Azo atao tsara ny manao fety na dia tsy  hiaraka sy tsy hanatrika ny fetin'ny HAT aza. Ahoana tokoa moa no hiaraka hanao fety raha tsy olona efa mihavana sy mifankatia? Hanao fety ianao kanefa gadrainy ny havanao, hidiny ny radio fihainonao, samboriny ny namanao... ianao anefa antsoiny hanao fety miaraka aminy.

Miantsoantso fihavanana izy kanefa izy aza tsy manao dingana iray amin'izany akory.

Mety mahavita fety goavana sy makotroka izy. Tsy mampaninona izany satria azy ny vola sy ny bois de roses. Fa ianao kosa raha tsy mankasitraka izay ataony dia aza manaiky ny mena miraviravy. Robarobain'ny mpanana. Aleo ravim-bomanga tsy arahin-dromoromo toa izay sakafo be arahin-datsa.

Tandremo sao ataony fitaovana ianao. Notambatambazany an'izao rehetra izao hanatrika ny fety karakarainy, dia avy eo lazainy eran-tany fa nanaiky sy nakatò azy. Faly ery izy hampiseho sary hoe an'aliny no nanatrika izany... ary anisany ianao.

Koa manaova fety sambatra ary, mba ho tena sambatra tokoa anefa fa tsy arahin'ny feon'ny fieritreretana.

Green Zone

2010-06-24 @ 21:37 in Sarimihetsika

Efa manomboka miverina mijery film indray izao. Film telo na efatra isankerinandro aloha no tratra. Tamin'iny herinandro lasa iny dia nahafinaritra ilay Green Zone (trailler etsy ambany). Ohatry ny te handresy lahatra hoe tsy nisy fitaovam-piadiana simika izany tany Irak fa fikafika fotsiny iny mba hanesorana an'i Saddam Hussein teo amin'ny fitondrana. Dia terena be fotsiny hoe hisy ary izay mitady hahafantatra ny marina dia faizina.

Hitako tamin'iny herinandro iny koa Micmacs à tire-larigot (2008) miaraka amin'i Dany Boon. Film nahafinaritra na dia efa tranainy sy kidaladala ihany aza. Ary farany ilay film nampihomehy anakiray koa hoe Protéger et servir (2009) miaraka amin'i Kad Merad. Ie, mpilalao mahafinaritra ahy koa rangahy io fa betsaka ny film-ny efa hitako (Bienvenue chez les Ch'tis sy Le petit Nicolas no tena nilay). Amin'ity herinandro ity dia Agora, Prince of Persia, The book of Eli, dia mba asiana fihomehezana kely amin'ilay She's out of my league.

Andrana sary

2010-06-21 @ 13:10 in Izaho sy ny ahy

Mety ny fampidirana sary ka

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2010 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry