Aleo inona?

2011-10-31 @ 19:58 in Politika

aleo inona?

Halloween hono ny azy ny fety rahampitso. Ity no fety vazaha faran'izay tsy tiako indrindra. Tsy mba mamolavola amin'ny zavatra mahafinaritra fa amin'ny zavatra mampatahotra. Tsy azoko mihitsy ny anton'ilay manao arotava mampatahotra isan-karazany, vampira, angatra, matoatoa, faty mitsangana sns. Izany ve tsy mamelombelna ny toetra minomino foana?

Tsy aleo, rehefa samy hankalaza ihany mba mankalaza zavatra mahafinaritra saina? Tsy aleo zavatra tsy mampanofy ratsy? Tsy aleo fety mazava toa izay sangisangy amin'ny maizimaizina mampatahotra? Sa aleo inona? Aleo inona? Halloween?

Ao amin'ny tetiandro katolika dia fetin'ny olomasina rehetra rahampitso. Tsy hoe ny olomasina no mila an'izany satria efa kilalaka non-stop any an-danitra any. Fa ho an'ny Katolika dia hampatsiahy ilay fiombonam-ben'ny olomasina (communion des saints) izay ao anatin'ny foto-pinoana. Fanamafisana ny fisian'ny fiainana ho avy izay karakarain'Andriamanitra ho an'ny olona.

Io ihany koa no fotoana hanateran'ny olona voninkazo ho an'ireo havany nodimandry. Fandinihan-tena, fieritreretana ao anaty fahanginana. Tsy aleo izany? Sa aleo inona? Aleo inona? Halloween?

Filaharam-be noho izany teto Roma hijery an'ilay Twighlight fahatelo (?). Na ilay voalohany aza tsy mbola hitako. Tsy manintona ahy. Harry Potter mba tiako ihsny satria resa-jaza, fa ilay Twighlight tsy mety voajeriko mihitsy. Misy boky anefa ao an-trano. Tsy aleoko mijery Shrek 1-2-3? Na ny toa ireny? Sa aleo inona? Halloween?

Inviato con Windows Mobile�.

Tsisy surprise

2011-10-28 @ 07:24 in Politika

Hiresaka ny fihetseham-poko kely momba ny resaka praiminisitra ao Madagasikara aho. Marihina aloha fa tsara ilay "Monsieur Papa" (2011) nojerena omaly, na dia film frantsay aza. :-)

Tsy dia azoazoko loatra ilay resaka fifidianana ho praiminisitra tamin'ity indray mitoraka ity. Tonga dia hita hoe cinema be ilay izy. Sady tsy misy chance ho an'ireo olona izay mety afaka manao praiminisitra nefa tsy natolotry ny mouvance. Tsy hita mihitsy izao, ohatra, i Prof. Ranjeva na dia efa anisan'ireo tokony ho nantsoina taloha aza.

Fa ny nanaitra ahy dia ity Jeneraly Rabotoarison Sylvain tsy annisan'ny natolotra teny amin'ny Paon d'Or kanefa tafiditra tampoka tao anaty lisitra. Toa azo eritreretina hoe izy no ho voafidy. Raha izy no lany eo dia sinema tanteraka ilay mody misy kandida sy consultations fa efa notendrena talohan'ny fotoana ny ho Praiminisitra. Ny tsy fantatra fotsiny dia hoe iza no tena nampanendry azy: ny SADC ve? Ny Frantsay ve?

Na izany na tsy izany dia tsy haharitra ela intsony ny fitaintainana satria raha ny heno dia rahariva amin'ny 7ora no havoaka ny anaran'izay ho lehiben'ny Governemanta vaovao.

Inviato con Windows Mobile�.

Hatraiza ny fetra? Limitless (2011)

2011-10-27 @ 09:08 in Sarimihetsika

alt
Rehefa avy nijery an'ilay horonantsary hoe Limitless (2011) aho omaly dia lasa ohatry ny nitombo be izany ny fanantenako hoe mbola betsaka tokoa ny zavatra azon'ny saina atao fa vokatry ny fanadinoana fotsiny dia milevina ao anaty atidoha ao daholo ny fahaizana. Raha toa izany ka resy ny fanadinoana dia hitombo ho azy ny fahaizana satria hifoha avy ao amin'ny "sub-conscience" avokoa ny zavatra hay taloha. Izay no fiantombohan'ilay film hoe Limitless io.

Nalaina avy ao amin'ny boky iray hoe The dark fields ny tantara. Ary ny tanjona dia ny fitrandrahana (exploitation) ny atidoha hampiasa ny fahafahana rehetra ananany. Voalazany mantsy fa ny 10%-n'ny tanjaky ny atidoha ihany no miasa fa ny ambiny dia matory. Lasa lavitra be ny vinavina (imagination)-n'ilay mpanoratra ka mahafinaritra ny mijery ilay film... Ny mpilalao koa mahay tsara. Miserana ao amin'ity horonan-tsary ity i Robert de Niro ary tsy mandiso fanantenana na dia tsy izy aza no mpilalao fototra.

Io maraina io dia nojereko  tao amin'ny wikipedia ny mikasika ity resaka 10% ity ka nolazainy fa tsy marina ilay izy. Tsy ny 10%-n'ny tanjaky ny atidoha ihany no tena miasa. Lazain'io lahatsoratra ao amin'ny wikipedia io fa miasa ("active") daholo ny singa rehetra ao amin'ny atidoha... izany hoe tsy misy matoritory... tsy very nefa ny fanantenana :-p

Le complexe su Castor (2011)

2011-10-26 @ 04:26 in Sarimihetsika

Mr. Beaver PosterMitady torimaso ety ambony bus dia manoratra eto amin'ny blaogy vetivety. Tiako tehirizina ato fotsiny ilay film hoe "The Beaver" na "Le complexe du castor" (2011) tontosain'i Jodie Foster, ary lalaoviny miaraka amin'i Mel Gibson. Nety tsara mihitsy ny casting, ary tena efa mahay i Jodie Foster fa nivoaka tsara ilay izy.

(Attention, spoiler)
Mitantara ny dingana fanasitranan-tena (process of auto-healing) nataon'ny lehilahy iray izay tratran'ny depression ilay izy. Mba hahafahany manao ny asany sy ny fiainany ara-dalana dia nandray personnage hafa izy (castor) ka iny no nentiny nahatafita indray ny orinasa. Ny olany manokana, eo anivon'ny fianakaviany, izay tsy manaiky ny fisian'ilay "castor", anefa tsy mety mivaha. Dia io no votoatin'ny tantara.

Nety tamin'i Jodie Foster mihitsy ny "role" noraisiny, renim-pianakaviana be adintsaina (toy ny mahazatra), ary i Mel Gibson koa tsy nandisso fanantenana na dia somary mi-exagérer ihany aza izy. Fa misy an'ilay sipa iray iny (hjereko amin'ny internet refaveo ny anarany fa milalao amin'ny X-Men izy Jennifer Lawrence) hitako hoe tsara safidy koa. Misy mantsy tsy dia tafiditra loatra amin'ny personnage entiny.

Any am-piasana apetrak ny sary.

Inviato con Windows Mobile�.

Tonga soa eto Italiafrika 2

2011-10-21 @ 07:35 in ItaliAfrika

Tsy ity no lahatsoratry ny blaogy tokony hivoaka fa gravy fotsiny ilay nanjo nandritra ny oram-be androany tontolo andro iny (nb. Omaly) ka dia aleo mitantara kely.

Efa elaela aho tsy niresaka firy intsony ny momba an'Italiafrika. Tsy hoe nikisaka akory ilay kontinanta, na hoe nivoatra... Fa vao maika aza nitotongana. Ny Afrikana sasany aza moa nandritra ireny fihetsehan'ny tany Arabo ireny dia tsy nety nialokaloka teto Italiafrika. Naleony nitady lalana tany Eoropa. I Rachid izao efa tafita ao Marseille ao... efa tsy nihambo ho Afrikana intsony.

Tsy any no tena resaka fa fiarahabana an'ireo Malagasy namana maromaro izay tonga handranto fianarana eto Italiafrika. Hoy aho hoe tonga soa. Mino aho fa tsy hanana olana firy ianareo satria tsy dia samihafa firy amin'ny any Afrika ny eto. Ny vazaha fotsiny no maro an'isa amin'ny mponina.

Na izany aza dia misy zavatra vitsivitsy mety hahaliana anareo momba ny toetran'ny Italiana.

- Toa ny any Afrika, ny Italiana dia be resaka. Mitabataba eny ambony bus sy train. Milelalela amin'ny tele sns. Efa ao anatin'ny rany io ka tsy azo esorina. Misy lafiny tsara anefa io indrindra rehefa tsy mbola mahay teny italiana tsara. Mba miitabataba tahaka azy koa. Aza matahotra hoe tsy ho azony fa ny fihetsiky ny tanana fotsiny no ataovy betsaka. Na ry zareo koa aza tsy mifankahazo raha tsy mampiasa tanana.

Ny Italiana amin'izao tena lasa mpanavakavaka be. Indrindra hatramin'ny nisian'ny krizy. Ny antony dia toy ny any Afrika, lasa niha nahantra ka lasa samy maka ho azy. Raha mba miasa ianao dia mimenomenona izy hoe mangalatra ny asa tokony ho azy nefa izy amin'io kamo tsy hahavita ilay asa akory

Aza gaga raha toa feno fako eny an-dalana. Misy mpiasan'ny voiries koa aty ary tena be karama fa aleon'ny commune tsy mampditra mpiasa intsony mba hampitombo ny karamany.

Aza gaga rehefa misisika be sy anki-tolona ny miditra anaty bus sy train. Tsy ampy, toa ny any Afrika koa ny fitaterana eto. Ary izay kely mandeha dia efa tonta be sy maloto.

Ary aza gaga raha misy ireny toy ny androanyy ireny. Rano be hatreny an-poto-pe kanefa orana tsy ampy adin'ny efatra. Ny antoko ankavanana no mitantana an'i Roma amin'izao. Tsy misy fijerena ny madinika izany. Nisy vola 2 millions d'euros nomena ny comune hanamboarana indrindra ny tatatra sy ny fivoahan-drano rehhetra. Mbola safo-drano ihany Roma. Ny paosiny no notsetsemany.

Betsaka ny zavatra mbola ho hitanareo eto mitovy tanteraka amin'ny any Afrika... ny tombony dia hoe tsy mila mizatra firy intsony fa tonga dia tamana. Dia raha tena te ho any an-dafy dia mba mivoaha kely an'i Italie.

Ito ambany ny video sendra nalaiko omaly

Toa izao kosa ny video sasany

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Oktobra 2011 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry