Film: Dépression et des potes

2012-11-18 @ 01:28 in Sarimihetsika

Horonantsary maromaro no nojereko tamin'iny herinandro iny fa tamin'ity farany ity aho vao mba afa-po... kanefa sarimihetsika frantsay ity iray ity. "Dépression et des potes" (2012). Maivana, manala vizana, mampihomehy nefa koa ahitana ireo olam-pianakaviana andavanandro (mpivady, tsy mpivady, niteraka, tsy miteraka)... 

Ah, ny horonantsary hafa nojereko dia "Ici-bas", "Escalade", "Miss Bala", "The watch"

 

Ny fahalanian'i Obama tsy mitondra soa ho an'i #Madagasikara

2012-11-07 @ 08:13 in Ankapobeny, Politika

Satria efa tsy nitondra soa nandritra izay 4 taona nisian'ny krizy politika teto Madagasikara izay.... Io ny valiny mivantana (noho ity lahatsoratra ity miseho any amin'ny twitter) fa velabelariko eto ambany ny fanazavana.

Obama dia avy ao amin'ny antoko demokraty... azo raisina hoe antoko havia. Izany hoe mitady ny tombontsoa tanteraka ho an'ny madinika, ary tsy dia miraharaha loatra ireo izay efa manana. Nandritra iny efa-taona iny ohatra dia nimasoany ny resaka fahasalamana, ny fanomezana asa ireo madinika, ny famelomana indray ireo orinasa izay maty na niha nalemy (mba hitsiinjovana ireo madinika hatrany). Vokany dia nitombo ny fitiavan'ny sarambabem-bahoaka Amerikana azy satria tena nitsinjo ny Amerikana maro an'isa tokoa izy. Dia efa azo antsaina ihany fa tsy maintsy ho lany indray Obama satria mbola ireo olona notohanany ka afa-nitraka ara-pivelomana ireo no maro an'isa nifidy azy.

Ny vokany anakiray anefa dia tsy dia nidiran'i Obama lalina ireo fahasahiranan'ny firenena hafa. Nahena be ny teti-bola miasa ho an'ireo firenena izay idiran'i Amerika lalina (Irak sy Afghanistan) ka nahena ny isan'ny miaramila Amerikana any. Nitombo be koa ny tsy firaharahian'ny Amerikana ireo firenena izay tsy ahitan'i Amerika tombontsoa manokana. Rariny izany satria tsy ampy amin'izany intsony ny teti-bola izay efa bahanan'ny raharaha anatiny toa ny fahasalamana sy fanabeazana ary ny ekonomia. Dia tafiditra ao anatin'io i Madagasikara.

Ny vaindohan-draharahan'ny antoko havia (toa ny demokraty Amerikana sy ny sosialista Frantsay) izany dia ny resaka ara-tsosialy ao amin'ny fireneny aloha vao ny resaka ara-tsosialy any amin'ny firenena hafa. Koa tsy dia manana fananenana firy aho ny mbola handraisan'i Amerika anjara mivatana kokoa amin'ny famahana ny krizy ao Madagasikara. Koa mifalia indray ry TGV fa mbola manana fotoana lavalava hijanona eo amin'ny tetezamita(tra) ianareo... noho i Obama. Ary ianareo zanak'i Dada indray dia mitadiava lalana hafa fa tsy atakalon'i Obama ireo Amerikana sahirana maro mbola tsy maintsy avotany ny Malagasy.

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2012 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Rohy
  • Blogroll
Tahiry