Blanc d'oeuf pour réparer une fuite de radiateur?

2013-07-17 @ 08:43 in Sarimihetsika

Ary izaho ihany no tsy nahalala an'io fika iray io. Nijery an'ilay film hoe "Intercesections" (2013) aho vao dia nahita an'ilay Sahel nanetsina radiateur vaky tamin'ny atody dia nanamarina tamin'ny google raha misy manao tokoa ny toa izany. Dia gaga fa toa hoe nisy nanporofo tamin'ny Discovery Channel mihitsy ilay izy fa azo atao. Fa izany hoe ny tapotsiny ihany no tena ilaina, ary raha zara fa mitete koa fa tsy hoe ireny vaky be ireny.

Anisan'ny olana naha-may ny culasse-n'ilay fiara nentinay indray mandeha izay mantsy io. Ny andro alina, ny tena mandeha mafy, ny làlana mangina, ilay fiara rahateo efa somary vizana ihany ka tsy misy témoins intsony eo amin'ny tableau de bord. Sendra nisy fiara tao aoriana dia izay vao hita notarafin'ny jirony hoe manetroka be ilay fiara. Dia nijanona. Kay efa nidonaka be ny tao anaty motera ary tsy nisy rano intsony ny radiateur fa very daholo, nitete kay ilay radiateur tsss.

Voilà pourquoi je regarde aussi des mauvais films

2013-07-15 @ 09:05 in Sarimihetsika

Manaraha lamaody ihany hono mba tsy ho very lol. Ity misy "dokambarotra" manomboka miparitaka etsy sy eroa dia mahazo points be ny Tampax sy ny Rosiana fa hoe créative be ilay izy.

 

Fa ho an'izay sendra nahita an'ilay film ratsy hoe "Movie 43" (2013) dia mahatsikaritra fa anisan'ny ampahany ao io dokambarotra tsy tena izy io.

Io sarimihetsika hoe "Movie 43" io no sarimihetsika faran'izay ratsy nojereko tato ho ato (raha atao hoe mijery 5 isankerinandro aho). Tsy misy votoatiny, fitambatambarana sarimihetsika vitsivitsy... kanefa malaza satria misy mpilalao malaza maromaro milalao ao. Anisan'izany i Richard Gere, Kate Winslet, Naomi Watts, Halle Berry...

Dia misy film jereko tahaka izany, na dia fantatro hoe ratsy aza. Na ny marimarina kokoa tsy tiako. Satria mba te hahalala izay fantatry ny olona. Ireny Harry Potter ireny izao dia tsy tiako, saingy rehefa raikitra ny fitsikerana ilay sarimihetsika dia tsy maintsy efa mba nahita azy ianao. Ilaina amin'ny fahalalàna ankapobeny izany ilay izy.

Ireto misy film roa nalaza fa tsy voajeriko mihitsy "Seigneur des Agneaux", "Twilight"... ary misy hafa koa fa tsy ao antsaiko.

 

Aide-semeur (ou le parabole du semeur positivé)

2013-07-09 @ 09:23 in Eritreritra mandalo

Voninkazo adaladala

Lasa saina kely nieritreritra ilay mpamafy "adaladala" ao amin'ny Baiboly (Jereo eto) aho io maraina io. Ilay mpamafy izay nandeha namafy fotsiny n'aiza n'aiza. Ny sasany latsaka teny amoron-dalana, ny sasany latsaka tanaty tany be vato, ny sasany latsaka tanaty tsilo, ary ny sasany latsaka tamin'ny tany lonaka. Samy nanana ny niafarany ireo voa nafafy ireo fa izay nilatsaka tamin'ny tany lonaka no nahafa-po indrindra. Ny tena mpamafy tokoa aloha tsy mamafy voa eny amorondalana sy amin'ny tany tsy hahavokatra loatra...  (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2013 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry