I noticed that #viagra mails now disappeared from my spam box. Where did they go? #wondering

2015-01-29 @ 09:17 in Eritreritra mandalo

Miala tsiny fa natao teny angilisy ny lohateny. Saika nametraka an'io fehezan-teny io tao amin'ny Twitter mantsy aho dia napetrako eto indray fa nataoko lohateny fotsiny ilay fehezan-teny. Rehefa avy eo io tsy maintsy hitranga any amin'ny Twitter ihany dia avy eo aparitak'i Twitter any amin'ny Facebook ka mitovy ihany na soratana eto na any. Ny tombony eto izany dia mba misy fanazavana :-)

Fa taloha tokoa aho mantsy dia resaka Viagra sy Cialis (moa?) no mameno ny email izay  nivantana avy  hatrany tany amin'ny spam. Nataondry zareo daholo izao fomba isan-karazany hahazoana mpividy izao. Dokam-barotra izay matetika manapempo ny fahavitan-tenanao (ara-javatra Tongue out). Tato aoriana anefa dia ohatra ny tsy hitahita intsony tany amin'ny spam ny viagra. (Eny mamaky tsindraindray ny emails voalaza ho spam aho satria misy tsy spam akory nefa mitontona any) Nanomboka tonga saina angamba ny mpividy hoe tsy ara-dalàna avokoa ny ankamaroan'ireny fanafody amidy amin'ny internet ireny ka nihena ny mpanjifa. Na koa efa tsy saro-tadiavina firy intsony ny viagra ka sarotra amidy lafo. Toa efa azo vidina malalaka any amin'ny fivarotam-panafody mahazatra mantsy ireny fanafody ireny, fa izany hoe mila taratasim-panafody ara-dalàna avy any amin'ny dokotera. Dia inona fa rava izany ny bizna.

Viagra

Ny mameno spam amin'izao (sisa) dia filazàna hoe nahazo loka volabe aman-tapitrisany aho. Ao koa ny hoe ovay ny tenimiafina facebook fa nisy ni-piraty ka mandehana eto manova azy, miaraka amin'ilay site mitovy be amin'i facebook. Misy vitsivitsy somary vetaveta. Ny sasany moa dia hafatra mitsotra hoe "Tsy mahasambatra anao ny vady tokana" lol.

28 janoary 1958 nahaterahan'ny Lego

2015-01-28 @ 22:02 in Eritreritra mandalo, Izaho sy ny ahy

Marina fa tiako i Lego sy ny angorodaony saingy tsy mikasika azy mihitsy ity lahatsoratra ity... asa nefa sao dia avy amin'ny Lego tokoa no nakan'ny ray amandrenin'i Lego ny anarana hoe Lego :-).

Sary Lego

Lego hafa mihitsy no tiako holazaina mantsy, dia ilay kilalao plastika atambatambatra, miloko maromaro, hahafahana mamorona zavatra maro. Androany 28 janoary hono no tsingerin-taona tena niforonany ara-dalàna... izany hoe nanoratana azy ara-panjakàna. Ho ahy dia anisan'ny nofinofy fahakely adino ilay izy ka nipongatra indray nony nanan-janaka. Dia nanomboka nividianako potipotika Lego ny boay kely ka dia rafitra mandrava sy manorina tokoa. Ny tena lafy tsaran'ilay Lego dia tsy manam-petra ny famoronana. Ny fetrany, mazava ho azy, dia rehefa tsy ampy intsony ny biriky kely. Manitatra tsara ny sain'ny ankizy kely ilay izy, noho izany, ary mandany andro azy ihany koa. Mihena ny fotoana laniny amin'ny kilalao elektronika na ny fahitalavitra. Ny mahasosotra fotsiny dia tsy maintsy ravaina izay vita. Indraindray teneniko mihitsy izy hoe antsoy aho rehefa mahavita zavatra tsara dia alaina sary alohan'ny handravàna azy... saingy tsy vatra.

Indro sombintsombiny amin'ny Lego nataon'i Aina.

 

Na izany aza dia apetrako eto ihany ity hiran'i Lego (mpihira malagasy) ity... dadilahy (Ny daddi dia kodiakely amin'ny teny italiana... mbola kilalao koa :-) )

Google aloha anontaniana :-)

2015-01-27 @ 11:44 in Eritreritra mandalo

Alohan'ny tena resaka, toa nafàna amboalohany toa t*in-kisoa fotsiny ilay resaka politika 2015. Noheverina hoe hamiratra amin'izay nony novaina ny praiminisitra fa toa praiminisitra tsy afaka tena namorona ekipa ilay izy. Raha tsy izany ve dia ho minisitra valo fotsiny no vaovao? Raha ny tena izy mantsy dia ny praiminisitra no mamorona ekipa matotra dia mampiseho ilay ekipa amin'ny filoham-pirenena... saingy indrisy e. Kotozafy ihany no Leksisy.

Izay no momba an'iny fa hiditra amin'ny resaka noeritreretiko hosoratana. Anisan'ny fanontaniana miverimberina isan'andro any anatin'ny hafatra voaraiko ny hoe "inona ny tenimiafina amin'ilay Tononkira Malagasy amin'ny Android". Rehefa mampiasa ilay application tononkira (tsy  mila internet) amin'ny android  mantsy dia mitaky tenimiafina isambolana ilay izy. Mba hialàna amin'ny fanontaniana imbetsaka dia napetrako ao amin'ny site tononkira.serasera.org izany tenimiafina izany. Misy anefa ny malaky fanontaniana ka tsy hahita an'ilay tenimiafina eo amin'ny pejy voalohan'ny site mihitsy.

Ny hevitra mora angamba dia hoe tadiavo malaky ao amin'ny Google ny hoe "tenimiafina tononkira android". Rehefa anontaniana mantsy i Google dia manome avy hatrany. Ka mba tsy hiandry valiny ela avy aty amiko dia i Google anontaniana mialoha... ary tsy mikasika an'io ihany fa mikasika zavatra maro. Izany akory tsy misakana ny fifandraisana amin'ny email, afaka mbola manoratra ihany rehefa mahita valiny :-) fa raha mitady valiny maika fotsiny dia ampiasao i Google.

 

Hay tena nisy i Alan Turing

2015-01-21 @ 13:29 in Sarimihetsika, Tsy aritra

Alohan'ny tena resaka dia tsetsatsetsa tsy aritra kely mikasika ilay tenin'ny Papa omaly hoe tokony ho tompon'andraikitra ny raim-pianakaviana. Tsy tokony hitondra tena toa ny bitro katolika. Ny tena noteneniny dia hoe "Misy ireo miteny hoe ny katolika tokony hanao toa ny bitro... tsia... tsia". Avy eo moa izy nanazava ny ato hoe ray amandreny tomponandraikitra. Fanamarihana kely fotsiny fa hay tsy fantatry ny maro hoe ny Katolika dia tsy manaiky ny fanabeazana aizana afatsy ny natoraly. Izany hoe tsy manaiky fatotra, kapaoty, fanafody, FI.SA. Koa ny fanabeazana aizana hany voizina dia ny resaka fifadiana amin'ny fotoana maha lonaka. Izay no fitsipika sy foto-kevitra katolika. Ny tena katolika dia manarka an'io. Avy eo moa, toa ny lalàna rehetra io, misy ny mandika, misy ny tsy manaraka, fa tsy olan'ny mpanao lalàna intsony izany.

Fa ny tena resaka dia mety misy ifandraisany kely amin'izay ihany. Misy sarimihetsika mandeha amin'izao, "The Imitation Game", nanaitra ahy ny sombiny tamin'ny Youtube dia mba nijery aho. Tantara tamin'ny ady lehibe faharoa saingy tsy dia ilay ady amim-basy loatra fa ny taktika isan-karazany nitadiavana izay handresena ny Alemana. Ny alemana dia mampiasa tenimiafina amin'ny baiko alefany ho an'ny miaramila mpanafika. Azo vakiana tsara ny baiko saingy tsy fantatra hoe inona no tena heviny. Mila mahafantatra ny fifangaroan'ny tenimiafina vao afaka mahalala ilay tena baiko ao ambadiky ny baiko miseho. Ny tanjona izany raha te handresy dia ny mitady ilay tena baiko mba hahafahana miaro tena na manafika dieny mialoha. Izay no asa nampanaovina an'i Alan Turing lehilahy tsy dia mitovy amin'ny rehetra nefa nasaina nanao asa goavana noho ny faharanitantsainy... hitady ny tena dikan'ilay baiko. Tsy dia hotantaraiko amin'ny antsipirihany satria sarimihetsika vao nivoaka ihany ka sao dia mbola misy te hijery. Fa rehefa avy nahita an'ilay tantara aho dia nieritreritra hoe mety ho tena nisy tokoa izany tantara izany. Dia notadiavina tamin'ny Google dia hay tena nisy tokoa ny tantaran'i Alan Turing ary ny tantarany tokoa no asehon'ilay sarimihetsika.

Nanaitra voalohany aloha ny fomba nataon'ny olona tamin'izany fotoana izany ara-teknolojika. Toa tsy mampino rehefa mieritreritra ny finday sy ny solosaina amin'izao fotoana izao. Nefa dia tahaka izany tokoa no niantombohany. Ny kajy iray dia herinandro maro vao ahitan'ny milina valiny. Ny milina ampiasaina hanaovana izany kajy izany dia milanja an-taonina. Olona maro no miara-mieritreritra. Betsaka kokoa ny sakana kanefa betsaka kokoa ihany koa ny fikirizana. Toa mamantam-bonona ihany isika ankehitriny.

Fa nanaitra sy nahatonga saina koa ny fivoaran'ny fiaraha-monina rehefa mieritreritra hoe tamin'izany fotoana izany, izay tsy mbola 80 taona lasa akory izay, dia miafina sy voaheloka ireo izay manana fironana homosexuel. Amin'izao fotoana izao anefa izy ireo dia miantsoantso hanana zo be dia be toa ny hivady, hanana zanaka, tahaka ireo mpivady tsy mitovy ehy. Fandrosoana tokoa angamba.

Ny sombin-teny nanaitra tao anatiny sady azo entina  hikirizana amin'ny fiainana dia ilay hoe "Indraindray dia ny olona izay tsy eritreretina hahavita na inona na inona no mahavita zavatra izay tsy eritreretin'ny olona ho vita." "Sometimes it is the people who no one imagines anything of who do the things that no one can imagine."

Baikom-pitolomana: manao, manao, manao hatrany (izay vita eo vita fa mila mahavita)

Toa izao ny resaka momba ny #imitationgame ao amin'ny twitter

Nahita portefeuille :-)

2015-01-06 @ 19:19 in Serasera.org

Noho ny antony mazava loatra dia tsy tena sarin'ny zavatra hita no hapetraka eto amin'ity resaka ity. Fotoanan'ny krizy lahatsoratra koa izao (vakansy sns) koa dia itony tantara itony no tantaraina :-)

Avy niara-nivavaka sy nifampiarahaba tratry ny taona tamin'ny namana protestanta izahay ny alahady hariva (rehefa avy nahavita ny anjaran'ny Katolika ny maraina), dia alohan'ny hidirana tao anaty fiara dia nahita poketra (portefeuille) teo amin'ny tany. Nalaina dia nisy cartes de credit maro be tao anatiny (10, eny 10) ary nisy taratasy famelàna hitondra fiara sy taratasy madinika maromaro.  (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Janoary 2015 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry