Andiana fampianarana Word amin'ny video

2015-11-23 @ 08:55 in Fampianarana

Indraindray be loatra ny zavatra eritreretina hatao ka izay tonga ao antsaina amin'ny fotoana maha-mety azy sy azo atao avy hatrany dia atao.

Efa ela aho no nieritreritra hanao video mirakitra fampianarana faran'izay tsotra ireo fitaovana ampiasain'ny olona andavanandro amin'ny ordinatera. Koa atomboko amin'ny Microsoft Word izany. Fampianarana izay natao ho an'ny tena vao manomboka mihitsy. Misy ireo olona izay tsy nampiasa na tsy zatra nampiasa Word fa noho ny adidy izay nomena azy tampoka dia voatery tsy maintsy hampiasa Word. Misy koa ireo tonga dia nikatroka nanoratra tamin'ny Word ka ataony tahaka ny manoratra amin'ny vata fanoratana taloha (machine à écrire) no fampiasa izany, zary tsy afaka mihanoka amin'ireo zava-baovao isan-karazany mahamora ny fanoratana. Ary misy koa ireo efa mahay Word ihany fa mbola miadana be satria tsy mahita ireo fikafika mampalaky kokoa ny fanoratana.

Ho an'ireo olona ireto no tena nanaovako ity andiana video ity. Hisy fizarana 10 eo ka azonao arahina ao amin'ny playlist Jereo eto

Indro ary ny video voalohany 

Misy inona eto Vatican?

2015-11-03 @ 20:37 in Izaho sy ny ahy

Haheno resa-be momba an'i Vatican indray isika ato ho ato noho ny fivoahan'ny boky anakiroa izay milaza kolikoly eo anivon'ny mpiasa ambony ao Vatican. Ny votoatin'ireo boky ireo dia manambara ireo fanodikodinam-bola sy fiainan'ny mpanan-karena ataon'ireo olona vitsivitsy ao amin'ny governemantan'i Vatican. 


sary afp

Araka ny re dia tsy mandà ny zava-mitranga ny Papa saingy tony kosa izy satria ady efa natombony hatramin'ny nitondrany ny Fiangonana ny ady amin'ny kolikoly sy ny fahalovana. Mbola misy ireo resin'ny fakam-panahin-dravola ao Vatican tsy maharitra ny mena miraviravy ka mbola manao ny fomban'izao tontolo izao amin'ny figalabonana amin'ny zava-mandalon'ny tany. Vao tonga teo amin'ny toerany ny Papa François dia nahatsikaritra fa misy olana ihany amin'ny fiainana ataon'ireo olona sasany ao Vatican. Nambarany ombieny ombieny fa tokony hiaina ny fahantrana, araka izay lazain'ny Baiboly tokoa, ny Fiangonana indrindra ireo izay eo amin'ny fitondrana. Tamin'ny 22 desambra 2014 ary ny Papa, dia nanao kabary izay nitsikera lalina tokoa ny toe-piainana anaty harena ilomanosan'ny mpitondra sasany. Nantsoina hoe "Kabary mikasika ireo aretina 15" izany kabary izany (jereo eto). Nisy tamin'ireo izay voatsindrona mivantana no nahasahy nijoro ho vavolombelona fa tsy nety tokoa ny fomba niainany ka hanitsy izany. Nisy kosa vitsivitsy izay tsy faly tamin'ny kabarin'ny Papa.

Tsy zava-miafin'i Vatican araka izay lohatenin-gazety natao hanaitra izany ny zava-misy amin'izao fotoana izao fa toe-draharaha efa fantatra sy efa ilofosan'ny Papa hiadiana amin'izao fotoana izao. Ny inoana fotsiny dia hisy andinindininy (détails) betsaka kokoa ao anatin'ireo boky ka izay indrindra no mahatonga ny fanadihadiana isan-karazany satria avy amin'ny andinindininy izay nivoaka dia inoana fa nisy ireo namoaka tsiambaratelom-panjakàna. Amin'ny maha fanjakàna (Etat) mahaleotena an'i Vatican, dia misy tokoa ny atao hoe "secret d'état" ka tsy maintsy misy ny fanadihadiana rehefa mivoaka ireny hahitana hoe iza no namadika. Izany "délits administratifs" izany dia tsy misy ifandraisany amin'ny resaka fahamarinana na tsy fahamarinana ao anatin'ny dossiers navoaka izay "délits moraux". Ny fanjakàna dia manasazy izay namoaka tsiambaratelo araka izay nifanarahana. Anjaran'ny lehiben'ny Fiangonana dia ny Papa kosa ny mandray ny andraikiny vokatry ny fanadihadiana anatiny mikasika an'ireo olona voalaza ao amin'ny boky.

Dia miandry ny tohiny isika amin'izao fotoana izao. 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2015 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry