Fanabeazana diso tarigetra

2019-04-13 @ 12:38 in Fiaraha-monina

Sary roa nanamarika iny herinandro iny eo amin’ny lafiny ara-piaraha-monina teto Madagasikara ireo napetrako ireo. Ny sary voalohany dia mametraka ny hevitra niseho tao amin’ny rindrin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, izay toa efa nofafainy taorian’ny resaky ny olona, mikasika indrindra ny fomba fitafy ho an’ny vehivavy. Ny sary faharoa kosa dia mikasika tovovavy kely iray vao 9 taona monja nisy nanolana. Araka ny resaka dia hoe nandeha nandihy alina niaraka tamin’ny namany izy izao nisy nanolana izao.

Ny fifandraisan’ireo sary roa ireo dia ny fahitana amin’ny ankapobeny ny toe-tsaina manomboka voizina na efa mipaka anaty mihitsy aza ao Madagasikara. Tsy ny tompon-keloka intsony no melohina fa ny nahatonga ny tompon-keloka nanao ny heloka. Ny ao amin’ny ministeran’ny fanabeazana dia manainga ny raiamandrenin’ny tovovavy hanabe azy ireo hitondra fitafy maotina satria hono izany no hampihena ny filan-dratsin’ny lehilahy. Hadisoan’ny ray amandreny na ny tovovavy indray izany raha toa ka iharan’ny filan-dratsin’ny lehilahy izy ireo. Toa alàna tsiny avy hatrany ny filan-dratsy. Toa tafapaka avy hatrany amin’ny toe-tsain’ny ankamaroan’ireo nanome hevitra mikasika ilay tovovavy kely nisy nanolana sahady izany. Ny renin’ity tovovavy kely ity indray no tena nahazo tsiny satria toa noho ny nataony no naha voaolana ny zanany. Zazavavy kely vao 9 taona ve dia alefa handiny amin’ny alina. Toa alàna tsiny ilay lehilahy nanolana.

Diso lasibatra tanteraka ny toe-tsaina tahaka izany raha tohizana. Marina fa amporisihina ny olona hanao fitafy maotina, tsara, ary tenenina ny ray aman-dreny hitaiza tsara ny zanany, fa tsy tokony hanala tsiny ireo mpanao ratsy izany. Raha misy ny tokony mila fanabeazana na famaizana dia ireo mpanao ratsy na ireo mirona tsikelikely amin’ny fanaovan-dratsy.

Diso foana ny lehilahy mpanolana, ka tokony hofaizina, na inona na inona ny akanjo anaovan’ny vehivavy.

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry