Bye bye serasera yahoogroups

2020-12-06 @ 17:43 in Serasera.org, Izaho sy ny ahy

Lahatsoratro farany tao amin'ny [email protected] 

---------

Miarahaba antsika rehetra

 

Araka ny vaovao izany dia mifarana amin'ity faha 15 ny volana désambra 2020 ity ny Yahoo Groups izay nampiantrano ny dinidinika teto amin'ny Serasera nandritra izay 20 taona mahery kely izay. Nanomboka tamin'ny taona 1999 tany tokoa no nanombohan'ity toerana fifanakalozana ity. Ary ity fifandraisana antsoratra ity no niantombohan'ny hevitra rehetra ao amin'ny serasera.org Nisy ny fotoana tena nilàna izany teo amin'ny fiainan'ny diaspora. Fotoana nahafinaritra ireny ka isaorana antsika rehetra.
Amin'izao fotoanan'ny tambazotram-piaraha-monina izao dia tsy dia misy manoratra eto firy intsony isika na dia mbola mandray hafatra daholo ihany aza. Amin'izao dia misy 1000 mahery ny mpikambana mbola mandray hafatra. Ka angamba hivalona ho tantara amin'izay izany ny Serasera. Raha misy soso-kevitra hafa moa dia raisina ihany.
Koa mamerina ny fisaorana antsika rehetra indrindra ireo izay teto hatramin'ny voalohany, niatrika ny resaka rehetra teto. Angamba nisy vokany tamin'ny fiainantsika, na ny fiainan'ny Malagasy hafa ihany ireny resaka rehetra nandalo teto ireny. Ho ahy manokana dia nampivoatra ny fomba fisainako sy ny fomba fijeriko ny raharaham-pirenena ny fiseraserana teto amin'ny serasera ary nandray anjara tamin'izany avokoa ianareo rehetra.
Ny takelaka serasera.org sy ireo sampana rehetra avy aminy dia ezahiko tohizana ihany.
Soava dia daholo
Hery

 

Ny karazan-tsarimihetsika tiako

2020-12-06 @ 13:01 in Sarimihetsika

Notezaina tao anaty boky romans aho fony kely. Tsy dia hoe notaizana ahoana fa i mama no tena mpamaky an'ireny collections "Fleuve Noir" sy "Série noire" ireny. Mpanakalo an'ireny boky ireny teny amin'ny tohatohabaton'Ambondrona mihitsy. Nisy SAS maromaro koa tsikaritro fa tsy dia voavakiko firy satria sarotra azo Tongue out. Tom Clancy koa tena nahaliana ahy, na dia ny fonony fotsiny aza dia efa waow.

Angamba noho izany no nahatonga ahy tia films policiers fony kely ary nigorisa tsimoramora tamin'ny films espionnages izany taty aoriana. Vokany, James Bond rehetra efa saika hitako avokoa indrindra ireo nisian'i Sean Connery, Roger Moore (tiako kokoa), Thimoty Dalton, Pierce Brosnan (tsy haiko tamin'izany hoe naninona no nampanaovina James Bond) ary i Daniel Craig (nahafahako namaly hoe naninona no nampanaovina James Bond i Pierce Brosnan). Tsy aritro mihitsy rehefa misy resaka CIA, KGB ny film iray.

Amin'izao firongatry ny Video streaming izao, Netflix sy Amazon prime sy ny afa, dia ireo karazan-tsarimihetsika ireo no trandrahako voalohany, na nalaina tamin'ny tantara tena nisy na tantara noforonina.

Hapetrako tsikelikely eto ary ireo lohateny efa nojereko taloha sy vao nojereko mba ho tadidy hoe efa hita.

Raha misy hafa tokony ho hitako dia teneno ihany :-) 

Anisan'ny vitako tato ho ato: 

 

 

 

-----

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2020 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry