« | »

Miangatra ihany ilay solde

2007-01-15 @ 15:10 in Blaogy Dev

Tahaka ny firenena maro aty Eoropa dia mba manao soldes koa ny eto Italia. Tsy dia mafàna be tahaka ny any Frantsa ohatra ny solde aty satria hita hoe mahantra (na koa angamba matity) ihany ny Italiana amin'ny ankapobeny ka zara raha misy tafidina 30% ny vidin'entana. Ny mba tafidina 50% dia izay zavatra tena tsy hovidianao mihitsy. Ary ankoatr'izany dia misy tena fetsy ratsy mihitsy ny mpivarotra satria misy ireo efa nanao fihenambidy taloha (mbola tsy fotoanan'ny soldes), ka nandritra ny solde dia ilay vidiny taloha be no nampiasainy sy nampiharany ny fihenam-bidy fa tsy ilay vidiny efa nihena hitan'ny olona.

Izany leoko ihany, fa ny tena mahakirizy dia zavatra natao ho an'ny vehivavy no tena betsaka nihem-bidy. Tsy ampy safidy mihitsy ny lehilahy. Hatramin'ny fitafy ka hatramin'ny kojakoja antokatrano sns. Dia rehefa sendra mba mijery soldes dia mpitondra entana sisa :-)

Ny fampiononana fotsiny ho an'ny lehilahy dia hoe afaka mividy zavatra tsy ao anatin'ny soldes izany izy. 

Hevitra

hatraty Dago ny zavatra tahaka izany ry hery araka ny fahazoako azy a! ny entana fividin'ny vehivavy ihany no tena misy fihenam-bidy e!

Nampidirin'i jentilisa @ 15:39, 2007-01-15 [Valio]

Angamba amin'ny antsoin'ny hatsikana hoe : ny vehivavy mividy na zavatra tsisy ilana azy aza saingy mora. Dia atao mora daholo ny zavatra tsy ilaina mba hovidian'ny vehivavy. Fa ny lehilahy tsy mividy raha tsy zavatra ilaina, kanefa vonona hividy lafo raha ilainy. Dia mamono antoka indray ny manao solde ho an'ny lehilahy. Fa raha te-hahazo solde zany dia manao toetram-bavy :-)

Ilay mpitondra entana indray moa dia maninona loatra, fa ny tena mahakrizy le vevavy ela be rehefa miantsena!

Nampidirin'i lapino @ 16:20, 2007-01-15 [Valio]

hahaha...zara aza hoe mitondra entana fa tsy le mpiandry tobil..hihihii

ny aty ndray volana Jolay ny soldes!

Za ndray aloha io no tsy nahavevavy ahy e...za tsy tia an'ilay miantsena ela be..fa efa fantariko mialoha foana n zavatra vidiana fa refa le misy gasy mankaty reny miara-miantsena amindry zareo, ny vehivavy io, valaka mihitsy!

Nampidirin'i kitjo @ 16:41, 2007-01-15 [Valio]

ny fika amreny dia mamorona dia dia hoe bipeo refa vita..lol

Nampidirin'i kitjo @ 16:54, 2007-01-15 [Valio]

Tena misy fahamarinany io hatsika'i lapino io a : le hoe "ny vehivavy mividy na zavatra tsisy ilana azy aza saingy mora ... Fa ny lehilahy tsy mividy raha tsy zavatra ilaina, kanefa vonona hividy lafo raha ilainy.

Nampidirin'i Tokinao @ 19:27, 2007-01-15 [Valio]

hahaha, tena marina daholo izany lazainareo izany, fa aza dia mitaraina moa r'ireto a. Izahay efa mako-na shopping ange tsinona e = shoppingaholic hoy rizareo vazaha. Fa raha lafo kosa ny lambanay ianareo ihany ange no hoborona koh.
"Fa nanao ahoana loatra re itony tany itony raha tsy teo ny vehivavy ???? ..."
Misaotra anareo mba mi-comprendre ny situation-nay.

Nampidirin'i ikalamako @ 21:39, 2007-01-15 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry