« | »

Anzio

2007-07-09 @ 00:05 in Izaho sy ny ahy

Sary vitsivitsy fotsiny nandritra ny nandehananay tany Anzio androany. Anzio dia tanana eo amin'ny 67 km miala an'i Roma. Amoron-dranomasina. Ny plage eo an-tanàna dia andoavam-bola daholo. Ny parking koa toa izany. Tanàna kely fa be olona. Tsy dia misy touristes... ary tsy nisy vahiny hitanay mihitsy teny an-dalana. Tsy nisy afrikana mpivarotra poketra sy solomaso na fehikibo sandoka. Izay nahita anay teny andalana dia nijerijery... angamba gaga hoe olona avy aiza koa itony. Nanaraka ny lalana mankany Latina izahay tamin'ny nandroso dia nivily teo Aprilia. Rehefa niverina kosa nanaraka ny moron-dranomasina tany Ostia. Nafana ny rano :-)
Sary azo jerena vitsivitsy...

 

Fa ity no sariko tiako indrindra :-)

 

Hevitra

hay nareo irery no tsy "afrikanina" tany Anzio ? Izahay koa omaly tsy "afrikanina" 16 no teny @ plage tsy lavitra an'i Anzio - tokony mba nifankahita ihany isika re....., tssss - fa vao niditra tao anaty rano izahay dia lasa nalalaka be ny partie nisy anay, lol ; fa nisy tsy afrikanina kosa aleo teo akaikinay e, fa fotsy izy satria tatsimo (latinos). Natahotra angamba ny "afrikanina" teo akaikinay teo sao dia ifindran'ny teinture-nay ka naleondrizareo nikisaka (efa mpiseho matetika moa io ka tsy mahataitra antsika intsony) nefa ange dia sahirana mihitsy izy ireo mandoro tena hitovy loko amintsika e ! hihihi

Nampidirin'i ikalamako @ 08:12, 2007-07-09 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry