« | »

Angers :-)

2007-07-12 @ 12:40 in Izaho sy ny ahy

Ohatry ny hoe mitovitovy ny anaran'ilay tanana anakiroa soratako amin'ity blaogiko ity. Ny nosoratako farany dia Anzio izay nandehananay tamin'ny Alahady. Izao indray dia Angers izay nisy ahy efa ho andro vitsivitsy izao. Adino any Roma ny cable USB dia tsy tafiditra eto ny sary fa any indray mifampitady. Tokony mbola tsy manoratra eto koa aho izao fa izany no tena hoe tsisy tany han......oratana mihitsy.

Mazava ho azy, kandra no aleha aty fa sady manararaotra manao vakansy isaky ny misy paozy "kely" (kely = 10 minitra).

Ny fiainana isanandro moa dia efa any ambadimbadika any (twitter) ho an'izay mahita sy maharaka. Ny ankapobeny no hofintinina tsy ho ela. Oups... lasa sahady aloha fa ity ihany no hahitsy rehefa kelikely.

Aza adino, mihaona ao paris izay namana serasera afaka amin'ny zoma 13 jolay izao. Juste hoe fihaonana fotsiny dia mifanabe maso (hozy booboo zay). Ny fotoana dia ao amin'izany Resto Sinoa izany (48, av.d'Ivry - Paris 75013)  . Mitondra 12 euros fotsiny dia mikaly ao... ny sisa mbola ho hita. Amin'ny 20h30 no fotoana raha afaka. Azo atao ihany koa ny mitsikilokilo anay avy lavitra fotsiny (toy ny fanaon'ny sasany)... mety daholo :-) 

Sary vitsivitsy tany

 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry