« | »

Mbola any anie i Kamba

2009-01-23 @ 08:10 in Eritreritra mandalo

Natao nalaza be sy natao hankalazana olona vitsivitsy sy takelaka vitsivitsy mihitsy ny tantaran'i Kamba kely. Vita ny fandidiana, dia nalefa nody ilay zaza... dia adino teo. Olona vitsivitsy sisa no manara-maso ny fahasalamany. Amin'izao dia re fa mbola tsy salama i Kamba. Mbola mila fanafody isanandro. Mbola mahantra ny reniny. Mbola mila fanampiana be dia be. Ary mbola mahafantatra izany daholo ireo rehetra nankalaza iny raharaha iny. Mbola nandefasana email matetika... Fa angamba efa samy nieritreritra hoe ampy izay? Tsy efa be tokoa ve moa izay vitanareo izay.

Kanefa... mbola marary i Kamba. Isaorana fa mbola misy ny fikambanana miasa mangina manampy azy.

Raha toa moa ka mbola vonona ny handray anjara momba an'i Kamba dia manorata amin'ny andry@tetezanaonlus.org na rondro@malagasy.it

Mbola mila anao i Kamba

Hevitra

Misaotra!

Misaotra indrindra @ vaovao momba an'i Kamba.
Raha misy fanazavana @ teny frantsay na @ teny anglisy momba azy ity, ary indrindra moa misy ny rohy sy adiresy mailaka momba ny fanampiana azy, dia mba ampitao re..

Nisy ny fifanampiana vitsivitsy hitako nandeha t@ social medias, ary tena nahomby kokoa. Tweet sy ReTweet dia mety manova zavatra, ary manantena aho fa maro @ ireo miteny frantsay sy anglisy no hafaka hanampy.

à+,

Nampidirin'i Thierry Andriamirado @ 10:17, 2009-01-23 [Valio]

Fanitsiana

Héhé.. nahomby -tokoa- no tiako lazaina fa tsy hoe nahomby 'kokoa' ;-(

Nampidirin'i Thierry Andriamirado @ 10:19, 2009-01-23 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2017 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry