« | »

Fika fampatoriana zaza

2009-04-25 @ 08:12 in Izaho sy ny ahy

Aleo aloha havalona any ny resaka politika fa tsy miady ny lalao. Zahay tsy hanao raha vao mifampitifitifitra, hery no miady fa tsy ny saina ka aleo hijanona. Fa nahita fika fampatoriana zaza aho androany. :-)Mandreraka ihany mantsy ilay mihirahira mandritra ny adin'ny firy mampatory azy. Dia tonga tao an-tsaiko tampoka ilay fanaon'ny mpivarotra "lame zilety" sy "pil" sy le "haron'ari'folo" eny analakely manaraka ny pavillons iny. Taloha ry zalahy mimenomenona mandritra ny ora maro fa amin'izao mégaphone no asainy mimenomenona. Dia no-enregistrer-ko koa ny feoko mihirahira hoe "Dodo..." sy ny hoe "Iny hono izy..." dia naverimberina in-jato dia natao tao anaty CD. Dia mandaitra :-)

Ampiasaina amin'ny zavatra rehetra ny teknolojia :-p

Hevitra

tROP COOL , mahita atao mihitsy ty Hery ty, sady miasa ny saina an!

Nampidirin'i ikalakely tatisy @ 09:01, 2009-04-25 [Valio]

hihihihih tsss voafitaka sahady ilay zaza tssss, hihihih fetsy koa ity dadany ity kannn

Nampidirin'i sipagasy @ 09:29, 2009-04-25 [Valio]

hihihihi ! iny koa no tsy hitako !!! Koa tsy ho lasa drindrangilo kosa ve ry Hery ? Amin'ny farany lery ho gaga ihany hoe meme refrain foana no henony! humùmm !ny zaza hany ka fetsy sy mana-tsaina an !

Nampidirin'i fahamarinana @ 09:34, 2009-04-25 [Valio]

hahahaha

Iny indray no tsy hitako :).

Misaotra fa ho alain-tahaka rahatrizay e :).

Nampidirin'i Tokinao @ 10:06, 2009-04-25 [Valio]

hihihihihi. tsy mba mandaitra aty ilay mihira² io fa vao maika midridroka ( asa maninona loatra ny feoko hihihi ). Ny ahy atsofoko anaty echarpe dia tonga dia renoka eo noho eo...

Nampidirin'i booboo @ 10:22, 2009-04-25 [Valio]

tsss - aza tia tena ry hery fa dada sy neninareo nihirahira t@ zaza efatra tsy nitaraina ary tena faly fa nody ventiny ny rora lany t@ fampatoriana anareo nony lehibe nareo a ! Mba enimbolana ve no ilaina mihira dia mihemotra vao lasa ny volana iray.

Nampidirin'i ikalamako @ 13:23, 2009-04-25 [Valio]

Mety ka!

Tena m'lay lé izy fa mba tsy hanakorontana ny hafa dé asio ékotéra,@'zay sam matory.Ataovy maty jiro f'izay ko ilalao k'tsapatsapa
malefaka!tsy manakorontana!

Nampidirin'i bèt'rav @ 15:12, 2009-04-27 [Valio]

bèt'rav> Aza matawats fa mandrotsirotsy ny reniny kou le izy ka...

Nampidirin'i Hery @ 15:33, 2009-04-27 [Valio]

ka zao le theoria an'ny evolution an'ny espece humaine e.

Afaka 100 taona zao mety ordinatera (na robot) no mitaiza zaza, mampianatra miteny azy sy mande... @ zany mety tsy ilaina tsony ny lelah fa vevavy dia mahavita zanaka
http://news.bbc.co.uk/2/hi/science/nature/7998931.stm

afaka 1000 taona mety production en chaine @ zay ouh la la
:)

Nampidirin'i simp @ 13:01, 2009-04-28 [Valio]

kdaombaramita

"Cot cot cot" averimberina fa mety handaitra ;)

Nampidirin'i kdaombaramita @ 11:17, 2009-04-29 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2017 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry