« | »

Ny seraserako maraina

2009-07-27 @ 08:45 in Serasera.org, Eritreritra mandalo

Angamba tsy dia mahaliana anareo fa toa izao ny zavatra ataoko isaky ny manokatra ordi maraina aho. Mazava ho azy vao misokatra ny ordinatera-ko dia ny site serasera.org no jereko voalohany. Tsy nataoko tonga dia misokatra satria matetika ato ampiasana aho no manokatra internet vao maraina, ka soratana mihitsy. Amin'izao moa efa natambatra ao amin'ny http://serasera.org ny famintinana ny zavatra vaovao rehetra ao amin'ny serasera ka manao jery tamba-be azy rehetra hatrany ambony ka hatrany ambany aho aloha. Fa anisan'ny jereko sy manintona ahy ilay hoe "Tononkalo vaovao" ery ambany havanana ery, izay misy ny tononkalo vao tonga. Tsy maintsy voasintona hamaky tononkalo eo foana aho. Manokatra tononkalo anakiray dia avy eo miverina mamaky ny tononkalo hafa. Indraindray mahavita mamaky tononkalo hatramin'ny 10 aho (ilay hoe tononkalo be mpitia eo amin'ny http://vetso.serasera.org) vao mijanona.

Eritreritra nandalo fotsiny... hilazako hoe mamaky tononkalo aho :-p

 

Hevitra

:-) maka insipiraka vao maraina...

Nampidirin'i ikalamako @ 08:07, 2009-07-27 [Valio]

Ny ahy indray vao misokatra ny ordi vao maraina dia manokatra RadiVazoGasy,mitazana ireny famelan-kafatra avelan'ny namana rvg tsy foy sy mahatsikaiky ireny indraindray !Mandahatra hira faran'ny ankafiziko dia izay vao misahana ny asa aman-draharaha rehetra tsy afaka ampiandrasina ! :-).Ny asa hafa manko afaka ampandeferina kely !
Avy eo manokatra fb ndray hitazanako ny Tononkalo n'ny Raozy Gasy sy ireo namana mpiara-mifanintsana Tononkalo isan'andro ao !
Ka na tsy nolazaina aza efa hay fa manana Tononkalo i Hery kouh ! hihi !..Iny koa no tsy hitako !

Nampidirin'i fahamarinana @ 08:15, 2009-07-27 [Valio]

Dia aza variana mamaky tononkalo fotsiny moa fa mba manorata vaovao be dia be indray e !

Nampidirin'i chrislyd2 @ 11:28, 2009-07-27 [Valio]

Tononkalo folo isa-maraina ve ?
Andray ! Be-dia-be izany.

Nampidirin'i lehilahytsyresy @ 08:07, 2009-07-28 [Valio]

Lehilahytsyresy > hatr@ folo wah ka :-) mety 1 na roa

Nampidirin'i Hery @ 08:14, 2009-07-28 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2017 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry