« | »

Paka ny andro

2006-04-15 @ 20:50 in Blaogy Dev

Paka ny andro androany. Fety lehibe indrindra ho an'ny kristianina. Tena kristianina ve aho? Tsy ny fandehanana any am-piangonana fotsiny, sy ny fiderana amin'ny vava fotsiny na ny asa fanasoavana sy ny fifadian-kanina tamin'ny karemy fotsiny. Fa ny fo sy fanahy iray manontolo no maha kristianina ny kristianina. Nandritra ny karemy dia lasa resa-be ny hoe nareo mifady hanina sy tsy mihinan-kena... fa ny anay ny toetra mihitsy no ovaina. Dia hoy aho hoe, raha izay no mba kely vitako aloha amin'izao fotoana izao? Tsy hoe tsy niezaka aho, fa misy zavatra mivaingana izay mora kokoa ny manao azy dia atao aloha, alohan'ny hanatratrarana dingana lehibebe kokoa. Fa raha ny fifehezan-tena kely isankarazany aza tsy vita dia afaka hihambo hoe nanova toetra mihitsy ve? Sao dia fialàna bala fotsiny ilay hoe tsy mifady hanina fa ny fo no amboarina? Sao dia voa double, sady tsy nifady hanina (tsy nanao ny ezaka mora indrindra) no tsy nanova fo (tsy nanao ny ezaka lehibe kokoa)? Raha nahavita azy rehetra moa, ny vatana sy ny fanahy, dia "meno male".

Tonga ity ny Paka, tsy voasakan'ny tsy nanaovana ezaka nandritra ny karemy... fa mbola tonga foana. Hitondra fifaliana sy fiadanana. Hoy ny fiteny matetika rehefa sendra fijaliana hoe "Tsy misy zoma masina tsy misy Paka" izany hoe aorian'ny fijaliana dia tsy maintsy hisy masoandro... nefa koa na dia tsy mijaly aza ianao mandritra ny zoma masina, ny Paka tsy maintsy tonga foana. (Izany hoe l'inverse n'est pas impossible). Na tsy mba nandray anjara tamin'ny fiomanana hitsena azy aza ianao, dia mbola tonga ho anao indray izy. Na mbola tsy mahatsapa aza ianao hoe ho anao no nijaliany sy nahafatesany ary nitsanganany, dia nijaly sy maty ary nitsangana ho anao Izy. Koa tonga izao ny Paka dia mba misaora azy.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry