« | »

Hisy tantara izany androany... efa henoko :-p

2009-11-04 @ 09:13 in Ankapobeny, Serasera.org

Hanomboka androany alina amin'ny 20h30 ny tantara ao amin'ny Radiovazogasy.com. Vao fanombohana io ary vao fanombohana ny amin'ity roa volana faran'ny 2009 ity. Noho izany dia indroa isambolana ihany no mbola hisy tantara ary tantara iray ihany no averina henoina amin'ny alarobia fahatelon'ny volana. 

Manana tantara "ordinera" betsaka ny Radiovazogasy, tantara nandeha t@ radio hafa taloha, ary efa saika resy lahatra aho hoe ireny tantara ireny no hamenoana ny banga, kanefa toa mahafinaritra koa ilay "ekstraordinera". Ny maha-hafa kely ny tantara tiana havoaka ato ho ato dia satria "isika" ihany no milalao azy. Izany hoe tsy matihanina fa dia namana mitovy amin'ny tena. Ny tantara holalaovina moa dia izay atolotry ny mpanoratra fantatra na ny namana ihany koa.

Androany hariva ary dia ilay tantara hoe "Antso diso" nosoratan'i FX Manah no handeha. Rehefa henoina dia mahafehy tsara ireo nolazaiko eoambony ireo. Dia mampiteny hoe "Alefaso koa ny manaraka eeee...".

Aza adino ary (tsy maninona na adino aza fa mbola misy @ tapabolana), androany alina amin'ny 20h30 dia averina indray amin'ny tapabolana amin'ny 20h30.

Ny sosokevitra alefaso ihany rehefa avy mihaino :-) 

Hevitra

Ora frantsay ve i ry Hery ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 10:22, 2009-11-04 [Valio]

Milay izany !!!

Nampidirin'i pissoa @ 10:25, 2009-11-04 [Valio]

oie !ho eo tokoa kah,efa ela no niandrasana an'izay ka raikitra amin'izay zany izy ity !Misaotra e! :-)

Nampidirin'i fahamarinana @ 10:50, 2009-11-04 [Valio]

Kdaombaramit> Oran'ny radio :-p

ie, ora frantsay hatrany. Tsy hoe inona fa ao Frantsa ny serveur.

Nampidirin'i Hery @ 10:52, 2009-11-04 [Valio]

Raitra izany an!

maeva74

Lasa izao raha tsy miboloisatra, efa io kdaomba hanolotra tantara e! Ry faha moa dia ilay mpilalao malaza hihihi

Nampidirin'i maeva74 @ 10:53, 2009-11-04 [Valio]

Maeva : oie,ngaha ! eo ndray tsika,enga anie tsy hikatso rvg fa ho be kil,sa ahoana ry Hery !

Nampidirin'i fahamarinana @ 10:55, 2009-11-04 [Valio]

Am 9 sasany aty aminay zany, aleo tonga de asiana remind mintsy ny phone fa be erehina ka so hadino :P

Nampidirin'i Yonika @ 11:05, 2009-11-04 [Valio]

I Maeva74 koa afaka manolotra ny tantarany mihitsy ry Hery fa aza avela mihitsy ! Mahay rakalakely io an ! Izaho ilay mpakafy fontsiny :)

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 13:01, 2009-11-04 [Valio]

tsara tokoa !!

ny mety ho ahitsy kely,

* @ filalaovana indraindray tsy voatery tenenina le hoe "hoy aho" na hoe "hoy ianao"... le esprit naration... rehefa mi-jouer an'le partie iny ny mpilalao... satria efa heno miteny an'le izy ilay olona izany.

* indraindray koa mamonjy miteny diso haingana be loatra ilay mpitantara... na koa miteny mafy be tampoka...

* farany, tsisy an'le tantara mba kombaka kombaka ireny nga? :P

sinon, en gros tena mafinaritra tokoa...

way to go!!

Nampidirin'i simp @ 19:54, 2009-11-04 [Valio]

adino kely,

toa otran'ny tsisy "happy ending" le izy...

tsisy zavatra "intriguant" koa... hitanareo le mahaliana be, ny mpihaino manatena zavatra kanefa avy eo voafainty na otran'zany...

hevitra akoho
;-)

Nampidirin'i simp @ 19:56, 2009-11-04 [Valio]

Nahafinaritra

Nampalahelo tokoa ilay " Antso diso" saingy tsy nihaona akory i Rado sy i Lila" na dia izany aza dia nahafinaritra e!
Ho maromaro ny Rado sy Lila ato ato ho ato hihihi

Nampidirin'i maeva74 @ 05:49, 2009-11-05 [Valio]

Izaho nanantena fa hiteny ny fianakaviana oe : " aza malahelo re ianao fa mbola io ny rahavaviny e !" , mety izay ilay happy ending andrasan'i simp :))

Nahafinaritra fa efa ela no tsy nahare toy izany aho. Hafa kely indray iny tantara iny aloha e ! Fa ny hitako mila nizarana kely dia ilay mpitantara tokony nanisy sentimaka kely amin'ny fomba fiteny.

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 12:25, 2009-11-05 [Valio]

Vao santatra ambavarano io ka misy betsaka azo kianina (efa tsapanay ihany izany saingy ny fotoana koa moa tsy azo nivalamparana tamin'ny fandraisam-peo, mixage ...) . Fa ataontsika lanja miakatra io ka hiezaka hanao metimety kokoa amin'ny manaraka e.

Nampidirin'i jmr @ 17:24, 2009-11-05 [Valio]

Mitovitovy amin'ny tsikera am-pitiavana nataon'ny simp koa ny ahy ,na izany aza tsy mora ny manao zavatra fa dia ny tohiny no andrasana ndray !
Maeva :taitra koa aho naheno any Rado iny !hihi !Maromaro eky ry Rado zao an ! :-)

Nampidirin'i fahamarinana @ 18:37, 2009-11-05 [Valio]

Maeva : Rado sy Lila aby ny anarana fidianareo rehefa manoratra :) - Tokony mba Isambilo sy Ibozy amin'ny manaraka :)

Nampidirin'i jmr @ 08:54, 2009-11-06 [Valio]

Raisiko amin'ny fo madio izay fanamarihana rehetra azonareo alefa, fa aza misalasala e.

Nampidirin'i jmr @ 08:58, 2009-11-06 [Valio]

Miangola

Tonga mba hilaza kely ny tsetsatsetsa tsy aritra e! mba hanasoavana ny manaraka , mba tokony niangola kely kosa ilay Rdo fa tena kitakita be loatra no nataony an'i Lila , izay ihany angamba e! @ manaraka rehefa hanoratra aho de asiako " dialogue" mba maromaro fa hay manimba sofina kely ilay mitantara be loatra;
Mirary soa hatany e!

Nampidirin'i maeva74 @ 13:56, 2009-11-06 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry