« | »

Afaka i Ejipta, Gasikara sisa

2011-02-12 @ 07:54 in Ankapobeny

Anisan'ny nanamboarana an'ilay MailToBlog (jereo ny lahatsoratra afak'omaly) dia ny mba hahafahana indrindra manoratra ao amin'ny blaogy na dia aty anaty metro aza... Izay rehetra mahalasa ny saina sy eritreritra mandalo dia azo soratana avy hatrany fa tsy miandry any an-trano indray satria mety ho lany morsa.
Fa hiditra amin'ny tena resaka aho. Manoloana ny zava-mitranga ao Ejipta amin'izao fotoana izao dia mieritreritra ny tokony ho nitranga tao Madagasikara tamin'ny fotoan'androny aho, na ny marina kokoa ny zavatra noeritreretin-dRavalo ho natao nefa tsy tanteraka tamin'izy nanolotra ny fahefana. Tahaka an'i Moubarak dia tratran'ny ankamehana izy, ary tahaka an'i Moubarak dia tsy nanome ny fahefana ho an'ny Filohan'ny Antenimiera izy, araka ny tokony ho izy ao amin'ny lalam-panorenana. Io mantsy no karazana vice-president. Fa ny miaramila, tahaka ny nataon'i Moubarak, no nomeny azy. Hatreo ihany no nitovy ny tantara, satria ny an'ny Gasy dia tsy nanam-potoana hisaorana sy hiderana ny fahendren'ilay filoha nametra-pialana akory izao tontolo izao, toa ny ataony amin'i Moubarak... dia efa nisy nandrombaka ilay fahefana. Dia nivadika ny tantara satria nanjary nitaky ny hamerenana an-dRavalo indray ny firenena hafa.
Inona ny zava-nitranga? Tsy niray ve ny miaramila ka tsy afaka hitantana fienena? Tsy mahay an'izany mitantana directoire militaire izany ve ny miaramila gasy, tsy toy ny tamin'ny andron'i Gal. Ramanantsoa intsony? Nahazo vola ve ny miaramila ka nanipy ny adidy "ho an'ny tanindrazana" nomena azy? Nandrahona sy natanjaka ve ny mpaka Fanjakana?
Inoako anefa fa raha nisy directoire militaire tao Madagasikara, na dia iray volana monja aza, dia avy eo nomeny ny teteza-mita, na dia tarihan'i Andry Rajoelina aza, ny fahefana dia tena ho hafa be ny fandehan'ny tantara ary tsy ho nisy izao krizy izao... Ary mety ho noderain'ny twitter sy facebook koa ny tgv hoe nanafaka an'i Madagasikara.
Fa tsy nitovy ilay tantara e... ny aza jiolahim-boto ihany...

Inviato con Windows Mobile´┐Ż.

Hevitra

rano raraka tsy azo raofina e !

Hafiriana ianao no naoratra io tanaty phone izao ? toa tsy nifandingana mihitsy ny tsipelina mantsy, sa ny maso no mbola tsara ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 17:16, 2011-02-12 [Valio]

ny tena tsy mampitovy azy dia ny hoe voalohany indrindra alou dia i Mubarak nanana autorite sy hoe nahavita nifehy ny armee, izany hoe izay olona napetrany tao @ armee dia mahafehy ny olona tantanany... i ra8 indray sady tsy tena nanana hoe olona loyale tao @ tafika no koa izay mba hany napetrany dia soit kely endaka matahotra ho faty, soit namadika palitao...
faharoa i ra8 dia "control freak" tsy mba ni-deleguer in in @ olona mihintsy (normal satria tsisy bandy azo atokisana)... i Mubarak afaka nanendry vice-president izay tena nahavita tsara ny negociations @ tokony ho izy...
farany, ny antsika i Frantsa no role moa ny an'i Ejypta i bekintana no role... tsy mitovy ny fomba fitondrana diplomasia... i Frantsa manana toe-tsaina ancien-colonisateur, tonga dia misozy ary manao tsinontsinona ilay firenena... i bekintana manana toetsaina colonisateur @ izao fotoana, mi-s'adapte ary manao izay hiakarana eo ambony foana na inona na inona mitranga...

Nampidirin'i simp @ 21:02, 2011-02-13 [Valio]

Maika loatra ny dj

Ny tena tsara indrindra dia niandry roa taona i andry ,nametraka ny rafitra tsara fototra ho an'ny antoko mpanohitra, nanomana tsara ny fifidianana , nihaino ny tena hetahetam-bahoaka, nanorina paik'ady handresena lahatra ny vahoaka hanaraka azy sy hifidy azy ho filoha.Tsy nisy antoko mpanohitra tena izy tamin'ny andron-dRavalo fa mitsipotipotika sy mizarazara be .Ny ezaka voalohany tokony nataony dia nanambatra ny hery mpanohitra rehetra .
Indrisy anefa fa maika be izy, ka notarihina tena Ambohijatovo sy teny Ambohitsorohitra ny vahoaka nanaraka azy.
Dia haintsika daholo ny tohiny.
Tena hinoana fa nandresy izy

Nampidirin'i malagasycool @ 13:34, 2011-02-14 [Valio]

mbohitsorohitra ny vahoaka nanaraka azy.SEO in UK

Nampidirin'i angel @ 03:05, 2012-07-03 [Valio]

koa izay mba hany napetrany dia soit kely endaka matahotra ho faty, soit namadika palitao...
faharoa i ra8 dia "control freak" tsy mba ni-deleguer in in @ olona mihintsy (normdefense lawyer los angeles

Nampidirin'i defense lawyer los angeles @ 13:19, 2012-08-03 [Valio]

Tsy nisy antoko mpanohitra tena izy tamin'ny andron-dRavalo fa mitsipotipotika sy mizarazara be .Ny ezaka voalohany tokony nataony dia nanambatra ny hery mpanohitra rehetra .Roulette francese

Nampidirin'i Roulette francese @ 11:11, 2012-08-04 [Valio]

ny vahoaka nanaraka azy.SEO Agency

Nampidirin'i SEO Agency @ 10:51, 2012-08-11 [Valio]

tsinontsinona ilay firenena... i bekintana manana toetsaina colonisateur @ izao fotoana, mi-s'adapte ary manao izay hiakarana eo ambony foana na inona na inona mitranga...best water dispenser for home

Nampidirin'i best water dispenser for home @ 10:51, 2012-09-26 [Valio]

nanafaka an'i Madagasikara.
Fa tsy nitovy ilay tantara e... ny aza jiolahim-boto ihany...blog commenting services

Nampidirin'i cool @ 06:27, 2012-10-08 [Valio]

ny hamerenana an-dRavalo indray ny firenena hafa.video poker gratis

Nampidirin'i cool @ 09:02, 2012-10-24 [Valio]

s'adapte ary manao izay hiakarana eo ambony foana na inona na inona mitranga...studio city accountant

Nampidirin'i cool @ 11:14, 2012-10-25 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry