« | »

Mersenera informatika

2011-03-08 @ 21:50 in Serasera.org

Tsia, tsy ilay resaka roa farany nataoko teto amin'ny blaogy talohan'ity no tena anton'ity lahatsoratra ity fa zavatra hafa mihitsy. Fotoana elaela ihany izay dia manafika be mihitsy ny spam teto amin'ny blaogy.com, na ireo mpametraka lahatsoratra feno dokambarotra eny amin'ny hevitra rehetra eny amin'ny blaogy eny.  Notadiavina ny vahaolana dia mba nihena kely ry zalahy fa mbola tsy fongana ihany. Tamin'iny herinandro iny ary dia ilay fitaovana hoe reCaptcha no nampiasaina (Eny, novidian'ny google ihany koa ny reCaptcha). Hitako nihena be ny spam fa mbola misy ihany :-)

Dia nitaditady tetsy sy eroa aho hoe vitandry zalahy koa ve ny nandrafa ny reCaptcha? Koa tsy maty antoka i Google nividy azy? Avy eo nefa hitako nisy nilaza fa tena olombelona no mametraka ireny spam ireny indraindray. Izany hoe misy manakarama mihitsy ry zalahy hametraka pub be dia be izay tratra.  Mazava ho azy fa tsy mahavita betsaka tahaka ny taloha izy fa mbola mahavita ihany: copier-coller dia vita. Koa raha io no marina, dia tsy ho voasakana mihitsy na dia hasiana fametrahana lavotondro aza alohan'ny  hametraka hevitra. Afaka adidy aho noho izany an :-)

Fa miresaka an'ireo mersenera informatika ireo ihany dia hasiako resaka fara-parany ilay nolazaiko tamin'ny lahatsoratra roa talohan'ity. Efa mila ho azo antoka izao fa ry zalahy avy ao amin'ny RTA no tena migafy ao amin'ny karajia.org. Avy any Madagasikara izy na dia noheverina hoe avy aty andafy aza teo aloha. (Sa ilay akama lasa nanao vakansy any Dago?). Olona vitsivitsy izy (ekipa) fa tsy olona iray. Ankoatra ny fampiasana proxy anonyme, izay efa voasakan'ny fitaovana napetraka, dia manjary miovaova ip koa ry zalahy ary ip any Dago no ampiasainy. Client-n'ny moov aloha ry zalahy. Ary mino aho fa voakarama ry zalahy satria nahoana? Raha olona tsy mahazo tombony manokana, tombony ara-bola bebe mihitsy, dia tsy handany adin'ny 6 mahery mandritra ny iray andro hitadiavana fomba hanafihana ny kaajia. Tena miezaka mitady ny fomba rehetra mihitsy (hatramin'ny mandoa vola hividianana vpn). Koa efa tonga any Dago koa izany izao ny mersenera informatika.

Tsy mampaninona aloha raha mahazo vola sy mahazo tombony tokoa... efa mba misy iray mahazo tombony fa tsy hoe ry zalahy maty antoka moa izaho koa maty antoka. Tsiky dia ampy :-)

 

 

Hevitra

Eee, dia tena lany atao koa izany ny olona ka !

Fa ilay mersenera voalohany io possible ihany ka. Raha ny aty mantsy izao dia toa malaza ihany itony fitadiavana olona hanao "e-marketing" itony. Asa, mety tafiditra ao amin'ilay izy ny spamming a gogo hi hi hi.

Mety ohatrinona ary ny karama amin'izany ? Izaho mantsy toa mahavoa copy-paste ihany LOL

Nampidirin'i pissoa @ 08:21, 2011-03-09 [Valio]

Ankoatra ny mersenera

Fa ohatra ny tsy sarotra mihitsy ny mino hoe ny RTA no manafika ny karajia, rehefa jerena ilay hevitra napetrak'i dondavitra atsy ambadika.

Nampidirin'i transworld @ 13:19, 2011-03-09 [Valio]

mety hoe bandy tsy ampy fialam-boly angambany ny tena marina satria ny rta deja hoe manana canal ahafahany manao pub sy mi-attirer ny mpanjifa aterineto malagasy mora sy mety kokoa ary mandaitra lavitra noho ny hoe fanakatonana ny karajia dia mifindra any ny olona...
sy hoe ny rta aza toa otran'ny tsy mahazo revenu @ le site-ny akory fa juste hoe fifandraisana fotsiny... asa anefa fa otran'ny tsy mba nahita advert na otran'zany @ le site ah...

eny e, mety hoe stratejia hoan'ny futur moa izany rehetra izany kanefa hoy aho hoe tsy mampiakatra maso-karena @ tsinapa fotsiny ve ny hanakaramana olona @ izany...

bref, ny tiako hahatongavana dia ny hoe ankizy vao mianatra ireo ary manandrakandrana... mety misy resaka perso @ hery koa alou satria otran'ny tena ataon'zala vaindohan-drara be le resaka...

sao dia mba tokony ampiharin'i sefo kosa le hoe mamono biby tsy mahafaty, ifoteran'ny rambony... attaky ony anie ny meilleur defense ee ;-)

fa alohan'izany alou ra mbola tsy vita dia aleo ny fiarovana an'ity blaogy.com ity no somary atao priorite kely fa sao dia maty eto ny vahoaka kle... tsy maty voalavo ankibo moa sa in ny filaza an'le olona te hanao izay hianjeranao coute que coute ireny...

Nampidirin'i simp @ 14:20, 2011-03-09 [Valio]

simp> Vitsy kely ny ankizy gasy mi-chat. Betsaka ny membre ao amin'ny rta fa tsy mi-chat. Mbola tsy manana an'ilay philosophie mpitsaty ny ankamaroany. Donc ny ahitana client mpitsaty dia ao amin'ny serasera. Ny serasera no efa nalaza tamin'io :-)
De ao no misy cible tsara kokoa.

Misy chat ao amin'ny rta fa tsy amin'ny forum-ny izy no maka kil (efa nanandrana fa tsy nahazo) ka dia tsy maintsy izay efa mpi-chat no alaina.

Momba ilay hoe ataky no defansy tsara dia efa nieritreritra an'io option io izahay :-) ny ankizy mou surtout... fa zah no mbola tsy dia mazoto fa ho hita eo ihany hozy ny OTAN lol

Nampidirin'i hery @ 14:34, 2011-03-09 [Valio]

ary nga tsy afaka karamaina olona koa hamafa ilay spam kle LOL isaky ny mametraka hevitra ka doka tg de palana avy hatrany lol
soa zay fa blueline fa saika voasakana niaraka t@ rta tao izany kle. Ka le rta anie mpikarama anady h@ izay e! jereo @ radio antsiva ko
fa lainga lainga fa io no tsy hametrahako hevitra ao @ radio2dago.

Nampidirin'i news2dago @ 16:34, 2011-03-09 [Valio]

Raha mba dokam-barotra mahasoa indray no ataon'ireo mersenera anie dia mba tsy naninona, fa ny loza dia fivarotana "fanafody sandoka" sy "kitapo vita marika sandoka" no ankabeazan'izy ireny e.

Nampidirin'i raprôsy @ 03:12, 2011-03-10 [Valio]

;-)

Nampidirin'i Vancleef @ 09:34, 2011-03-10 [Valio]

tsi mlay an

tokony samy manatsara ny azy kosa e, samy gasy ve de ifanapotika, zay le toe tsaina tsy mampandroso antsika zay, tokony hifanampy fa manjary ny site vaza fona no manjaka sy tsara , sa aôna ra Hery???

Nampidirin'i mirror @ 14:49, 2011-03-10 [Valio]

kiiiiiiiii misy idiran'i vancleef ve ity kozy ity? decidement...
Nampidirin'i simp @ 19:31, 2011-03-10 [Valio]

Я могу только предупредить тебя, как другие отнесутся к некоторым твоим словам. Ульриг составлял документы и по такому поводу даже освоил грамоту. Селена погружалась в пучину самого черного отчаяния. Стремительный контрудар немцев у Термоли заставил Монтгомери отложить на 2 недели наступление на позиции противника у р. Процессия в составе камергера, гвардейцев, самого Ивана и пары носильщиков двинулась к месту происшествия. секс чат знакомств в уфе А я баронский колодезный мастер и верный его подданный до самой смерти. В то время как в Регенсбурге и Вене над Густавом-Адольфом издевались, в Померании и Мекленбурге одна крепость за другой переходила в его руки. Случилось так, что когда он ехал верхом по узкой, затененной деревьями тропинке, извивающейся по лесу близ Бонжура, в его голове возникла неопределенная мысль, как повернуть оружие мадемуазель Сант-Андре против нее же самой. Не знаю, но мне это дает надежду на осуществление кое-какой задумки. Я пристрелю тебя, пусть даже это будет последнее, что я… тут он задохнулся, увидев, как Ковач поднял к плечу ружье такова уж была выучка, никогда не стрелять с бедра, даже если цель всего на расстоянии ствола. Его лицо бледнее, улыбка напряженнее, а выражение лица почти все время, как у покойника перед укладкой в гроб. знакомства для секса, винница Он должен явиться в публичный дом, чтобы доставить офицеру Мак-Вильямсу его офицерский патент! Однако они, не успокоившись на этом, арестовали беднягу, устроив настоящий переворот в Вене. Хотя вот Лёличек, к примеру, он не такой.

Nampidirin'i Artiverfegery @ 02:45, 2013-07-04 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry