« | »

Surprise, un don de 120 Euros

2011-04-08 @ 14:55 in Izaho sy ny ahy, ItaliAfrika

Ce n'es pas une blague... Je viens de recevoir 120 euros de telecom Italia... Et je suis content... Miala tsiny fa teny gasigasy ny tohiny fa natao hisintomana kil fotsiny ilay mody natao teny frantsay eo ambony... litera 140 mandeha any amin'ny twitter sy facebook.

Fa tena marina. Nahazo verim-bola 120 euros tamin'ny telecom Italia aho. Aza miteny hoe izay vola kely izany ve, satria sarotra dia sarotra vao mahazo vola kely amin'ireo entreprises italiana ireo. Ny mifanohitra amin'izany aza mantsy no mateti-pitranga. Tamin'ny herintaona, ohatra, dia nandritra ny herintaona aho mbola nahazo faktioran'ny ligne telefonina tsy nampiasaiko akory na 1 segondra aza. Nefa isam-bolana dia tonga hatrany ilay faktiora. Ny ligne ampiasaiko amin'io efa fournisseur hafa mihitsy. Tato ho ato aho vao tsy nahare tohiny intsony fa angamba tonga saina, na reraka, na humm.

Ka ahoana ary ny momba ity 120 euros ity. Nanomboka tamin'ny faran'ny janoary teo dia tapatapaka ny internet tao antrano. Ny telefona mandeha tsara fa juste ny internet. Dia isaky ny tapaka dia miantso ny support avy hatrany aho. Dia amboarindry zareo ao anatin'ny 48 heures... dia avy eo tapaka indray dia toa izany foana. Misy fotoana izany rehefa tsy tapaka izy dia miari-tory bebe kokoa aho mba hahafahana manao zavatra dia rehefa tapaka izy dia matory aloha. Fa tsy tapaka mihitsy aho ny miantso ny support isaky ny tapaka. Farany dia niantso ny support commercial telecom aho nametraka fitarainana... notehiriziny tany ny fitarainana fa omaly kosa izy vao niantso dia nilaza fa averiny ny 120 euros.

Tsy mahasolo ny ora very isaky ny tsy misy internet io... fa mahafaly rehefa mba manao toa izany ny Telecom.

 

Hevitra

Falifaly izany i Sefo izao. :-)

Nampidirin'i raprôsy @ 15:23, 2011-04-08 [Valio]

Izay nahazo maimaim-poana hono aoka hizara maimaim-poana.

Fa ilay 140 caractères indray koa anie dia misy lafy ratsiny e: vao mahita le hoe mari-bola sy hoe ce n'est pas une blague tou dé mirehidrehitra ny led sy temoin menamena isany hoe "very probable spam". ;)

Nampidirin'i Dôty @ 15:39, 2011-04-08 [Valio]

rahoviana ny Moov no hanao izany?

Raha ny krizy sy lagy azonay tamin'ny Moov teo aloha teo no mba asiany resaka toy izao an! Saingy indrisy, na mandeha na tsy mandeha ny internet-nao, mailaka foana izy haka ny volanao any amin'ny banky. Tsy mihevitra izay hitsimbina anao izany. Fa dia ny aza tratranay amin'ny ankodimirana aloha e!

Nampidirin'i Avylavitra @ 16:32, 2011-04-08 [Valio]

ny teoria izany dia hoe ra tsy misy ny monopole, izany hoe misy ny concurrence dia... mihatsara miandalana hoazy ny services azon'ny mpanjifa...

ny fanotaniana izany dia ny hoe misy mpifaninana ve ry zareo? ra misy dia hoe: maninona no mbola mijanona ao ihany raha ohatra ka tsy afa-po?

Nampidirin'i simp @ 16:44, 2011-04-08 [Valio]

zany eo ihany alou fa...

roapolo ambizato kosa ve dia vola kely ry sefo??
sao diso pakta loatra nareo izany kle ^:^
hihi

Nampidirin'i simp @ 16:45, 2011-04-08 [Valio]

hihihi naverina ny an'i sezara zany

Nampidirin'i ikalamako @ 16:54, 2011-04-08 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry