« | »

Nanandrana sary low-key

2013-04-05 @ 12:43 in Kanto, Sary

Araka ny nambarako tamin'ny twitter-ko omaly dia nanandrana nanao sary nampiasa low-key lighting aho na low-key photography. Ny low-key photography dia fomba iray fakana sary izay mampiasa loharanon-kazavana mampivoitra ny aloka. Matetika dia atao mainty na maizina tanteraka ny "arrière-plan". 

Mba hahafana manao sary low-key dia ahena araka izay tratra ny fisokafan'ny diaframa, na atao faran'izay malaky ny hafainganan'ny fanapihana sary, ary atao ambany dia ambany araka izay tratra ny ISO. Ireo telo ireo no entina mitifitra ny tarigetra izay tarafina manokana amin'ny hazavana matanjaka kokoa avy amin'ny sisiny mba hampivoitra ny aloka.

Ny hitako lesoka tamin'ny andrana nataoko dia ny tsy fahampian'ny hazavana izay tokony ho mafimafy kokoa mba hahitana velarana lehibe kokoa eo amin'ilay alaina sary. Tsy azoko koa hoe tokony hampiasa objectif fohy ve (prime lens) sa objectif mahataka-davitra no metimety kokoa. Ary anisan'ny naharatsy ny sary koa ny traitement taty aoriana. Tsy nampiasa Photoshop na Lightroom mihitsy aho fa reglage tsotra tao amin'ny picasa fotsiny no natao. Noheveriko fa tokony ho ampy izany. Raha ny tokony ho izy aza ve tsy tokony ho mety avy hatrany tsy mandalo fanovana ny sary?

Mbola hanao andrana hafa aho fa fanombohana ao anatin'ny "serie" fianarana maka sary ity nataoko ity. :-)

     

Isaorana be dia be i Hantatiana nanaiky hatao modely notarafina sy nalaina sary tao anaty korontana.  

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry