« | »

Tononkira Malagasy amin'ny Android

2013-09-17 @ 13:56 in Serasera.org

http://forum.serasera.org/media/images/m/122e840dc5869b9349a08ee4fc74a092.jpgDia vita soa amantsara omaly alina izany ny Tononkira Malagasy amin'ny android. Afaka mandeha amin'ny telephone sy tablet misy Android rehetra. Ny tononkira ao anatiny dia izay tononkira hita ao amin'ny takelaka tononkira.serasera.org ihany saingy tsy mila connexion izy dia mandeha. Izany hoe azo ampiasaina na any ambanivohitra aza :-p

Misy version anakiroa ka ny iray maimaim-poana moa ny iray vidina. Raha ilay iray maimaim-poana no alainao dia misy code d'activation alaina maimaim-poana ao amin'ny site tononkira.serasera.org (etsy ambany daholo ny rohy). Fa maninona ary no nasiana an'izany code d'activation izany? Tsy dia misy hoe fa maninona loatra fa eritreritra tonga tao amiko fotsiny hoe tokony farafaharatsiny mahalala ny fisian'ny takelaka tononkira.serasera.org ny olona mampipasa azy. Afaka telo volana aza dia mila manana solonanarana sy tenimiafina mihitsy :-)

Ampiasao dia mba teneno hoe ahoana ny fahitanareo azy  Inona no tokony hohatsaraina sns. Izaho mantsy karazany iray ihany ny telephone ananako ka tsy haiko ny fitrangany any amin'ny telephone hafa. 

Jereo eto ilay version maimaim-poana: http://goo.gl/wS2TUL
Jereo eto ny fakàna ny code: http://tononkira.serasera.org/tononkira/android/code

Toa izao aloha ny fitrangany aty amiko.


 http://forum.serasera.org/media/images/m/b05907d3f15d8f47f3692e078fd31d96.jpg http://forum.serasera.org/media/images/m/a001b506e57a40c062dc1e0ed5aaf8d4.jpg

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry