« | »

Malagasy: foko roa?

2006-05-03 @ 07:07 in Ankapobeny

Namaky ilay lazain'i jentilisa ao amin'ny blaoginy aho dia tena gaga mihitsy amin'ity resaka merina vs. tsy merina ity. Ohatran'ny hoe foko roa fotsiny i Madagasikara, ny andaniny Merina dia ny ankilany Tsy Merina.

Fa maninona no tsy mba mialona sy miady amin'ny Anteisaka ny Sakalava, na mifanenjika amin'ny Mahafaly ny Betsimisaraka? Aza miteny hoe mainty sy fotsy fa misy foko fotsy kokoa noho ny Merina. Tanavo sy tanindrana ve? Fa aiza no misy ny tendrombohitra avo indrindra? Dia tsy haiko ry zareo a. Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho rava ihany io fokofoko io... efa mifanambady daholo izao ny boay kely sy ny sipakely Malagasy samihafa foko. Izay no hitako vahaolana haingana. Afangaroy zalahy a...

Hevitra

Manahoana i Hery! Mampalahelo sady mahamenatra ilay izy e...Fa izay mihitsy no hitako fa vaha olana manja afangaroy ary efa hitako fa efa "applied" io vaha-olana io. Tena touchee be foana izaho rehefa mahita post na olona mitantara momba io "fokofoko" io satria izaho manana tantara personnel momba an'io. Tena "private" be ilay izy fa niainako hatramin'izaho mbola kely ka hatramin'izao na koa hatramin'ny 4 taona lasa angamba (no nitsahatra). Tsy mbola vonona izaho ny hitantara azy amasom-bahoaka fa rehefa tonga ny courage ko dia holazaiko ao @ vanilla blog ao ihany...

Nampidirin'i Mirana @ 09:44, 2006-05-03 [Valio]

Marina tokoa izay fanamarihana izay! efa nisy mihitsy ny atao hoe adim-poko tany amin'ny faritra atsimo-atsinanana tany tamin'ny repoblika faharoa. Tena korontana tsy nisy tahaka izany no tany fa mangina ihany ilay izy avy eo.

Fa matoa misy kosa ny zavatra miverimberina tahaka izao dia misy hery vahiny manolokolo azy. Efa hatrany amin'ny politikam-poko nataon'ny Gallieni io zavatra io no nambolena. Hatramin'izao dia tsy mety fa misy mandranitra hatrany!

Nampidirin'i jentilisa @ 20:54, 2006-05-03 [Valio]

manao ahoana i hery.
Tsy commentaire ity fa fanontaniana momba ny fanatsarana blaogy. ahoana kay azafady ny mampihena ny taille des polices ao @ blaogy( na ny votoatin'ny blaogy izany na ireo liens hypertexte ). Ilay ao @ "editer" mantsy ngeda be daholo, eny fa na dia ny kely indrindra aza.
misaotra indrindra e. Dia mampahery anao @ finiavanao hampiray ny malagasy @ alalan'ny namana sera2 sy ny blaogy

Nampidirin'i Tokinao @ 11:15, 2006-05-05 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry