« | »

Ambony noho ny finoana ny fitiavana

2015-02-14 @ 10:01 in Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Androany hono, araka ny efa nampiomanako anareo omaly (yes) ny Saint Val. Ary na dia ireo izay tsy mino an'izany resaka olomasina izany aza dia miteny hoe "Saint Valentin"... farafaharatsiny amin'ny frantsay. Ny an'ny anglisy mantsy tonga dia nataony hoe "Valentine's day" (raha tsy diso aho). Fa nanaitra ahy ny captcha (ilay teny fanamarinana etsy ambany etsy) rehefa mampiditra commentaires eto amin'ny blaogy koa dia manana endrikendrika Saint Val. Ireto amin'ny sary ireo ohatra ny hitako.

Ny fitiavana hono no lehibe indrindra hoy ny kristianina (1Kor 13, 13)... nohamafisiny tsara hoe lehibe indrindra amin'ireo zavatra telo izay mitoetra ankehitriny dia ny finoana sy fanantenana ary fitiavana. Raha raisina ara-bakiteny io dia tokony hahatonga saina satria ambonin'ny finoana koa izany ny fitiavana. Tsy tokony hisakana amin'ny fitiavana ny finoana. Raha finoana tsy mitondra amin'ny fitiavana dia finoana tsy misy dikany. Raha finoana mifanohitra amin'ny fitiavana moa dia tsy azo lazaina ho finoana akory. Satria ilay inoana dia fitiavana.

Koa dia mirary antsika rehetra hiaina ao anaty fitiavana daholo.

Hevitra

ikalamako

ary mifanandrify amin'ny hafatra voaraiko androany ity resaka finoana ity an. Ny iray avy amin'ny namana relijiozivavy, dia ny iray namana tsotra. Samy naneho ny "Fitiavana ambonin'ny rehetra". Hafatra roa tena tsy nampoiziko ireo satria tsy hafatra noho ny fitiavan'olondroa. Nefa dia nalefandrizareo ho ahy noho ny Saint Valentin. Ary raha raisina hoe fetin'ny finoanoampoana ihany ny Saint Valentin na dia misy masindahy miaro aza dia azo raisina tokoa ny hafatra entiny hoe Fitiavana ambonin'ny rehetra.
("I love you misy kouera sy flesy beuh" ny captcha miandry ahy io ambany io lolll - tao amin'ny pejiko indray teo "LOVE" be manadala)

Nampidirin'i ikalamako @ 23:34, 2015-02-14 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry