« | »

Haiko amin’izay ny video tian’ny olona

2019-12-06 @ 23:56 in Tsy aritra

video_mahaliana

“Ho fisintonana mpijery fotsiny ity”. Izay no soratra voalohany nosoratako tamin’ilay video iray izay navoakako tao amin’ny Youtube hoe Rijade – Drako hely – censurée vao tsy ela akory izay, fa avy eo moa bedy satria hoe rehefa manao zavatra dia mba ataovy tsara. Marina fa nisy votoatiny tsara ny resaka fa teo ihany koa ilay hoe hisintona mpijery. Nisy vokany be tokoa satria tao anatin’ny 24 ora monja dia nahazo mpijery 6000. Sambany ny video nataoko vao nahazo mpitsidika tahaka izany ao anatin’ny iray andro. Na dia eritreretiko hoe mahaliana aza indraindray ny zavatra soratako dia sarotra mihitsy vao mahatratra mpijery 300 anatin’ny iray andro.

Dia niezaka nanao fampitahana aho hoe inona marina izany no tena be mpijery ? Toa ny zavatra heveriko fa maivamaivana, mitsingevangevana, indray no be mpijery noho ny zavatra heveriko hoe mavesa-danja ? Toa ny resaka kidaladala, kiadiady, kilalaolao, no manintona ny olona kokoa noho ny resaka dinidinika ara-kolotsaina, fampitàna hevitra, fanabezana, fifampizaràna traikefa? Inona no antony?

Mbola te hahazo statistika manamarina ireo eritreritro ireo aho dia niezaka nitady ireo “chaînes” malagasy vitsivitsy malaza. Misy tokoa ny tena mahazo mpitsidika be isan’andro. Noezahiko nojerena amin’ny maso tsy miangatra ny votoatin’izy ireny, ankoatry ny hira izay tsy azo lavina fa be mpitsidika, tsy ho an’ny Malagasy ihany fa eran-tany, dia voamarina ny tombatombako. Ny “clash” no mahazo mpijery ambony kokoa noho ny “flash”. Ny zavatra mampiala voly, izany hoe mampihomehy, mampiresaka, mampifalifaly, mifosafosa, mifanenjinenjika, ny toa ireny no be mpijery kokoa noho ny fifampizaràna traik’efa, dinidinika politika, resaka haisoratra, resaka kolotsaina. Toa te hanao hitsin-dalana aho hoe izany tokoa ve no mahaliana kokoa?

Niezaka nitady ny antony aho dia misy vitsivitsy hitako:

  1. Fialam-boly ho an’ny Malagasy ny video. Tsy mbola tena fitaovana nentina hanabe na hampitomboana fahaizana loatra ny video fa mbola fialam-boly aloha, na fanalana azy hoy ny tanora. Izany hoe olona efa vizaka niasa, avy niady amin’ny fiainana no mitsotsotra mijery Youtube ka zavatra maivamaivana sy mahatsikaiky no tadiaviny.
  2. Tsy mahay manintona olona ny mpanao video. Raha efa fantatra ny salan-taonan’ny mpijery, ny karazan’olona mijery (lahy sa vavy sns), ny toerana misy ny mpijery (Madagasikara na andafy), dia tokony atao mifandraika amin’izay ny zavatra avoaka raha te hahazo mpijery.
  3. Tsy présentable ny mpanao video sasany. Hafa mihitsy ny hoe mpanao video vehivavy manja, tsara feo. Na dia tsy marina foana aza izany… ahoana izao i anona sondendandenda nefa be mpitsidika ihany?
  4. etc.

Dia inona izany ny vahaolana entiko raha te hanana mpitsidika betsaka? Alaim-panahy ihany aho hanao video maivamaivana ho fialam-boly. Kanefa mila mandanjalanja ihany koa hoe mpitsidika betsaka ve no tadiavina sa hampita hevitra. Ka ny marimaritra iraisana angamba dia hoe tazonina ho ankamaroany ihany ny votoatiny mahaliana fa indraindray, tena indraindray, asiana video fisintonana mpitsidika mba hahita ny votoatiny hafa ihany koa.

Ary inona no tena mahaliana anao io?

Rohy vitsivitsy:

 

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry