« | »

Nahoana kosa no idina ny fiangonana?

2020-03-21 @ 17:00 in Tsy aritra

Anisan’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny ankamaroan’ny firenena rehetra miady amin’ny coronavirus ny fanidina fiangonana. Ka anisan’izany ny ao Madagasikara izay vao tratran’ity valanaretina ity tamin’ny 20 marsa teo.

Betsaka ihany no mahazo ny antony izay tsy inona fa fiarovana amin’ny fifampikasohana sy fitangoronana ary fivoriana izay antony tena mampifindra be indrindra ny tsimok’aretina.

Fa misy koa ireo izay mafy loha, mieritreritra ny tenany ho hany vontom-pinoana ka manome tsiny an’izany fanapahan-kevitra izany.

Ka ho anareo ireny indrindra ity fanazavana kely ity.

Tsy misy resaka hoe resy, matahotra ny ho faty, tsy mijoro amin’ny finoana velively ny fanakatonana fiangonana. Tsy ifandirana ny finoan’ny tsirairay satria mety misy tokoa ny tena manam-pinoana mahafindra tendrombohitra, ka na hisotro pozina sy hokakerin’ny bibilava aza dia tsy ho faty. Saingy ity valanaretina ity dia mifindra amin’ny piti-drora sy fifampikasohana. Ka ny olona manodidina anao, sy ireo ondry avorinao, izay mety tsy dia ampy finoana loatra toa anao dia mety hifamindra otrik’aretina. Izy ireo indrindra, izay sady marefo ara-panahy no mety marefo ara-batana (antitra, taizan’aretina) no tiana arovana.

Tsy vao voalohany izao no nisy ny fanakatonana fiangonana. Rehefa misy ny ady, misy ny tondra-drano, misy ny loza voa-janahary hafa, ka voatohitohina ny fiarovana ny aina dia mikatona ny fiangonana. Sa raha totory ny rano ny fiangonana dia mbola hilomano ho any am-piangonana ihany ianao satria mila miangona?

Koa samia tompon’andraikitra. Ianao izay manana andraikitra ao am-piangonana indrindra no tokony hiaro ny ondrinao sy hanampy azy ireo.

 

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry