Afa-po mampiasa Linux

2020-06-20 @ 09:08 in Dev, Teknolojia

 

 

Efa ho telo taona izay no nampiasako linux tamin’ny ordinatera fampiasako isanandro. Tsy misy windows intsony ao anatiny fa linux mint fotsiny. Tamin’ny voalohany aloha somary sahirana ihany satria anisan’ny mpakafy Windows ny tena ka tsy nahazatra mihitsy ireo fitaovana natolotr’i Linux. Nisy rahateo izay tsy nahitana solony nahafa-po, indrindra ny fanaovana mozika sy video.

Fa rehefa taty aoriana dia nanomboka zatra ihany. Nihafy no marimarina kokoa. Nezahina natao nahavita izay fitaovana atolotry ny Linux, na farafaharatsiny mitady izay mahavita tsara indrindra na dia handoavana vola kely aza. Na izany aza anefa, dia mbola betsaka ireo zavatra vitako tamin’ny nampiasa Windows tsy vitako amin’ny mampiasa Linux intsony… fa nampiononona ny saina hoe zavatra tsy dia tena manan-danja be akory ireny.

Talohan’ny nampiasana Linux ranoray tahaka izao dia efa nisy Linux kely ihany tato anatin’ny ordinatera nampiasaiko. Ubuntu sy Debian no nampiasaiko tamin’izany. Rehefa nisy zavatra tsy vitan’ny Linux dia tonga dia avadika Windows kely…

Fa efa ho telo taona izao dia Linux Mint manontolo no ampiasaiko… ary afa-po aho… na dia tsy tanteraka aza.

Fa ny tena nahafaly ahy androany, nahatonga ahy nanao ity lahatsoratra kely ity, dia tsy ampy ora firy akory dia nahavita nanao upgrade goavana tamin’ny Linux Mint aho. Izany hoe niala avy amin’ny version 18 mandeha amin’ny version 19. Angamba mitovitovy amin’ny hoe Windows 7 miditra Windows 10. Tsy mila DVD na CD, fa commandes vitsivitsy sy internet fotsiny.

Ny lahatsoratra fototra narahiko dia ilay hoe How to Upgrade to Linux Mint 19, nila fotoana kely fotsiny (navelako nandritra ny alina teto) dia vita.

Tamin’ny ni-redemarrer azy fotsiny no nisy olana kely satria saika tsy tafiditra, niverimberina foana teo amin’ilay fampidirana mot de passe na dia efa marina tsara ara ny mot de passe nampidirina. Fa nony nitady tamin’ny internet dia hita ny vahaolana. Ovaina ny permission-n’ny fichier .Xauthority

 

 

Dia efa ilay Linux Mint 19 ity ampiasaiko ity amin’izao. 

 

Tetik'asa Arduino I - Fiara kely

2016-01-24 @ 00:38 in Izaho sy ny ahy, Informatika, Teknolojia

Koa satria ito no tetik'asa voalohany amin'ny Arduino ataoko dia tsara ihany angamba hazavaina fohifohy ny momba ny Arduino ho an'izay tsy mahalala. Raha handalina bebe kokoa dia afaka mandeha ao amin'ny site officiel-n'ny arduino ao amin'ny http://www.arduino.cc. NyArduino dia azo lazaina hoe fitaovana iray (noforonina ekipa italiana) izay tsotra sy misokatra hahafahana manao tetikasa elektronika. Alaivo sary antsaina fotsiny ohatra hoe ny fanokafana vavahady, ny fampandehanana jiro maintso, ny jiro krismasy mifandimbindimby sns. dia azo atao amin'ny arduino avokoa. Ny olona rehetra manana finiavana hikirakira elektronika sy programmation tsotra dia afaka mitrandraka arduino. Betsaka ny fampianarana ao amin'ny youtube izay mikasika azy ka tsy dia manahirana loatra.

Izay no ela fa tamin'ny novambra aho no tena nanomboka nihaona tamin'ny Arduino ka nanana tetikasa voalohany hoe hampandeha ilay fiarakelin'i Aina aminy. 

Fiara efa téléguidé saingy very ny télécommande dia tsy nandeha intsony. Dia nesorina tanteraka ny circuit-ny ka hosoloina Arduino.
Arduino Nano V3 no nojerena tao amin'ny Ebay ka teo amin'ny 6 Euros teo ny vidiny. Ny Arduino nano dia tableau arduino kely. Misy ny zavatra rehetra ao amin'ny Arduino izy saingy kely fotsiny ka mety tsara amin'ity tetikasa ity satria tafiditra ao anatin'ilay fiara. 
Kely dia kely tokoa ny Arduino Nano V3 kanefa mora dia mora tokoa ny vidiny, indrindra raha vidiana ao amin'ny Aliexpress na ao amin'ny Banggood satria mahatratra 2 Euros mihitsy izy any. Ity novidiko ity dia tsy soudé, izany hoe misaraka aminy ny broche ka raha ilainao dia ianao ihany no mi-souder azy. Ny ahy moa no-souder-ko satria hapetraka amin'ny platine d'expérimentation (na breadboard) ary betsaka ny bokotra (pins) ilaiko. 
Ankoatra an'io Arduino io dia nila zavatra roa hafa ihany koa. Ny voalohany dia module Bluetooth HC-06 hibaikoana an'ilay fiara avy amin'ny alalan'ny smartphone. Nisy ny niteny hoe tsy mahazaka 5v io module io na dia betsaka aza ireo ao amin'ny youtube tonga dia mametaka azy amin'ny 5v, koa dia voatery nampandalovina mpampihena courant ilay izy (jereo ilay resistances roa R1 sy R2 eo amin'ny schema) hahazoana 3,3v eo ho eo.  Ary ny faharoa dia ny module Pilote de moteur L9110 izay hibaikoan'ny arduino ny motera anakiroa ao amin'ilay fiara. Misy motera roa tokoa mantsy ilay fiara, ny iray ao aoriana izay manosika sy mampihemotra azy ary ny iray kosa ao aloha miandraikitra ny fiviliana havia sy havanana. 
Ankoatr'ireo dia tena nilaina koa ny tariby isan-karazany izay mampifandray ny Arduino amin'ireocomposants na modules hafa. Tao anatin'ilay fiara indray dia efa nisy fitoerana piles efatra izay 6 volts no fitambarany ka mety amin'ny Arduino tsara. 
Tamin'ny voalohany aho dia nisalasala na Bluetooth no hampiasaina hibaikoina azy na WiFi. Fa hitako hoe Bluetooth no mety kokoa satria afaka ampiasaina na aiza na aiza... 
Eo amin'ny lafiny software indray dia tena mahaliana ny Arduino satria misy ny atao hoe Arduino IDEizay ampidirina amin'ny ordinatera dia afaka mifandray avy hatrany amin'ny Arduino board (tahaka nyArduino Nano). Raha ny tena izy dia mampiasa "language C" amin'ny programmation ny Arduino, ho an'izay tsy dia tia programmation kosa dia efa misy ny fanamboarana tetikasa amin'ny arduino amin'ny alalan'ny kisarisary, azonao jerena eto ny mBlock momba izany.
Toa izao izany ny schema kely mikasika ny branchement. Ialana tsiny fa tsy nianatra electronique aho fa dia izay fahaizako azy tao no natao. Mino aho fa mahita zavatra betsaka hotsikeraina ry zalahy ingénieurtahaka an'i zandrinay :-p  (Sary no-imprimer-na avy ato)
Koa satria matanjaka be ireo moteurs dia tsy zakan'ny Arduino (tonga dia maty ny bluetooth raha vao mihodina ela ny moteur) dia nalaina mivantana avy amin'ny alimentation 6v ny courant mampihodina azy. 
Ny télécommande izay mampandeha azy dia avy ao amin'ny PlayStore antsoina hoe Arduino Bluetooth Car. Efa asehony ao anatin'io fitaovana io ny commandes rehetra ampitainy any amin'ny arduino dia iny fotsiny no ampidirina amin'ny script izay hampiasaina.
Ny zavatra fanampiny dia ny jiro sy ny buzzer (solona klaxon). Tsy eo amin'ny schema eo ambony fa jiro roa sy resistors fotsiny ary haut parleur kely iray nalaina avy amin'ny casque no natsatoka amin'ny broches iray amin'ny arduino.
Ireto ambany ireto ary ny sary sy ny script hanaingo ity resaka ity.

Ny code dia ao amin'ny GitHub : https://gist.github.com/heriniaina/1f8523167df40dbb8c87

Fitsitsiana vatoaratry ny finday

2015-06-17 @ 08:45 in Teknolojia

Tsy izaho irery angamba no tratran’ilay vatoaratra (batterie) tsy maharitra iray andro akory amin’ny finday. Na dia finday vaovao aza ka feno tsara vao maraina dia tsotsofina mihitsy vao tonga amin’ny hariva. Manahirana raha sendra tsy mitondra famahanana azy na sendra tsy misy herin’aratra ny toerana aleha.

Marina fa efa misy irony vatoaratra fanampiny irony izay atovana amin’ny finday rehefa lany iny izy ka misy ilàna azy tampoka… kanefa tokony ho vonjimaika ihany izany satria tokony haharitra farafaharatsiny mandrak’alina ny vatoaratra rehefa tena voafahana amin’ny maraina. Misy koa ireo rindrankajy izay fampitomboana ny faharetan'ny vatoaratra saingy indraindray izy ireny koa no vao maika mitroka herin'aratra.

Ireto ary misy fika vitsivitsy hitehirizana ny vatoaratry ny finday mba haharitra. Marihina aloha fa android ny findaiko kanefa inoako fa misy mifandraika amin’izay voalaza eto ihany ny amin’ny marika hafa.

Ny tena mandany vatoaratra, mazava ho azy, dia ireo rindrankajy (applications) ao anatin’ny finday. Misy aloha, voalohany indrindra, ireo rindrankajy mampiasa “internet” na tosaka “wifi”. Hitako nampitombo ny faharetan’ny herin’ny vatoaratra ny fanajanonana ny internet isaky ny tsy ampiasaiko. Misy mantsy ireo rindrankajy izay mampiasa internet foana na dia tsy jerena sy tsy ampiasaina aza.

Manaraka izany, ny rindrankajy tsy voahidy tsara dia mbola mitazona hery kely hahafahany mitahiry hoe inona no nataonao farany rehefa miverina ianao. Fomba voalohany hialana amin’ny fandanin’ireny rinjakajy ireny herin’aratra izany dia ny fanajanonana azy. Rehefa tsy ilainao intsony ny rindrankajy iray dia hidio. Ny fomba fanidy azy dia azo atao tsotra amin’ny fampiasana ny bokotra [miverina] (back na arrière) mandrampihidiny. Azo atao koa ny mijery ireo rindrankajy niasa farany dia mamafa azy ao (jereo ny sary eto ambany).


Bokotra miverina

 


Bokotra rindrankajy farany niasa

Lisitry ny rindrankajy farany

 

Misy anefa ireo rindrankajy izay mbola mandeha na dia tsy hita sy tsy ilaina mivantana aza. Mandeha any ambadiky ny rindrina (background). Anisan’izany ireo rindran-kajy izay mpanome fampatsiahivana anao. Toa ny diary, ny filazana toetr’andro, ny famataran’andro, ny mailaka sy ireo hafa mikasika ny fifandraisana (facebook, viber sns.). Misy amin’ireo rindrankajy ireo dia tsy ilainao akory mandritra ny fotoana maharitra, ary misy aza ireo izay tsy fantatrao akory ny fisiany. Eto indray dia anjaranao no mijery hoe tena ilainao tokoa ve ireo rindrankajy ireo. Koa ny vahaolana voalohany izany dia ny fanajanonana tanteraka ireo rindrankajy ireo amin’ny fotoana tsy ilàna azy. Mandeha ao amin'ny fanovana (na paramètres) dia avy eo jerena ny lisitry ny rindran-kajy rehetra. Miditra ao amin'ny lisitry ny rindrakanjy misokatra dia mahita ireo lisitra ka fidina izay rindrankajy tianao hajanona satria tsy ilaina. Rehefa avy eo dia tsindrina ny bokotra [stop] manajanona azy tanteraka. (jereo ny sary eto ambany)

 


Paramètres na fanovana

Lisitry ny rindrankajy

Rindrankajy misokatra

Fidina izay hohidina

Hidina tanteraka

 

Raha ohatra moa ka tena tsy ilainao ny rindrankajy iray dia tokony hoesorina na vonoina mihitsy. Rehefa ilaina indray izy dia ampidirina na koa velomina indray.

 

Sary nalaina tao amin’ny wikihow.com

Rohy mahaliana: http://www.howtogeek.com/165111/how-can-i-stop-apps-from-running-at-boot-on-android-os/

http://www.wikihow.com/Close-Apps-on-Android

 

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry