Ed eccoci di nuovo

2006-08-01 @ 10:41 in Blaogy Dev

Nanandrana nanao ny fomban'ny touristes tonga teto Rome izahay nony niverina androany. Nony niala teny amin'ny avion teny Ciampino dia niaraka tamin'ireo touristes rainiboto maromaro satria tany Allemagne tsinona no niala. Dia noezahinay tsy notsaroana mihitsy hoe efa teto Rome izahay no nipetraka fa toy ny hoe tanana vaovao hanaovana vacances indray koa Rome. Dia inona no zavatra tsapa?

Natao ny fampitahana dia tena tanàna maloto mihitsy Rome. Vao eny ambony bus manaraka ny Grand Raccordo dia hita ny loton'ny sisin-dalana. Ny loton'ny rindrina. Nony tafidina ny bus dia tonga dia sendra varavarankely feno fako. Saika niverina niakatra tao anaty Bus raha tsy novaina haingana ny saina hoe ity ilay Rome misy ny toerana hipetrahana kah. Tsy mpivahiny tsy akory ka hiverina aiza? Dia nampionon-tsaina.

NY antony nanaovana an'io expérience kely io dia tiana ho azo antsaina ny zavatra ho hitan'ireo namana serasera ho avy aty amin'ny faran'ity herinandro ity. Misy vitsivitsy tokoa mantsy izy ireo hamangy anay aty. Fihaonana sy famangiana tanàna. Ho hita eo aloha izay vokany :-)  

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry