Miangatra ihany ilay solde

2007-01-15 @ 15:10 in Blaogy Dev

Tahaka ny firenena maro aty Eoropa dia mba manao soldes koa ny eto Italia. Tsy dia mafàna be tahaka ny any Frantsa ohatra ny solde aty satria hita hoe mahantra (na koa angamba matity) ihany ny Italiana amin'ny ankapobeny ka zara raha misy tafidina 30% ny vidin'entana. Ny mba tafidina 50% dia izay zavatra tena tsy hovidianao mihitsy. Ary ankoatr'izany dia misy tena fetsy ratsy mihitsy ny mpivarotra satria misy ireo efa nanao fihenambidy taloha (mbola tsy fotoanan'ny soldes), ka nandritra ny solde dia ilay vidiny taloha be no nampiasainy sy nampiharany ny fihenam-bidy fa tsy ilay vidiny efa nihena hitan'ny olona.

Izany leoko ihany, fa ny tena mahakirizy dia zavatra natao ho an'ny vehivavy no tena betsaka nihem-bidy. Tsy ampy safidy mihitsy ny lehilahy. Hatramin'ny fitafy ka hatramin'ny kojakoja antokatrano sns. Dia rehefa sendra mba mijery soldes dia mpitondra entana sisa :-)

Ny fampiononana fotsiny ho an'ny lehilahy dia hoe afaka mividy zavatra tsy ao anatin'ny soldes izany izy. 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry