Tonga indray o :-)

2007-08-23 @ 13:03 in Izaho sy ny ahy

Tonga eto amin'ny blaogy indray aho rehefa avy tsy ni-serasera nandritra ny andro vitsivitsy. Naharitra 120 ora tsy nanokatra serasera.org - sy ny forongony :-) - fa tsy naninona. Izay angamba aho vao voatery nanao toa izany. Ny dikan'izany dia efa azo ilaozana ny serasera (tahaka ireny zazakely hoe azo ilaozana kely ve sa tsia ireny). Azo nianteherana koa ny baby-sitter...

Nanditra izany dia tany Venise, Rimini, Bologne, Florence izahay. Nahafinaritra daholo. Ny tany Venise aloha dia nanatrika ny mariazin'ny namana. Nahavita ihany ry zareo fa zavatra be dia be nataony tao anatin'ny fotoana fohy dia fohy. Nisoratra teto Roma tamin'ny 9ora sy sasany dia any Venise no misakafo hariva sy manao fety. Nentina tamin'ny Bus lehibe daholo izay rehetra voaasa. Ny sakafo tany indray tsy lany nolaniana. Nojerena fotsiny ny crevette (tsy nitondra sachet). Dia nihira sy nandihy na dia efa samy farim-peo aza. Efa tamin'ny 5 maraina vao natory... kanefa tsy maintsy mbola nifoha tamin'ny 8 maraina indray mba hitsidika an'i Venise... sy haka sary.

Izahay izay nijanona tany Venise amin'io tsy maintsy manararaotra ihany koa. Nisy an'izany hoe teny amin'ny ranomasina tamin'ny andro amin'ny 11 alina... nilomano. Toa izany koa mbola teny anaty ranomasina ihany tany Rimini na dia nangatsiaka aza. Niezaka ny tsy nangovitra fotsiny mba tsy ho oainina.

Tao Firenze (Florence) koa nahafinaritra. Nony hariva izahay vao sahirana satria tsy hita ny toerana nametrahana ny fiarakodia. Izaho koa no ninoana kanefa hitako nahery ihany ny divay mena :-) Saika hody taty Roma omaly ihany izahay saingy tsy nisy train intsony ka dia niandry ny androany maraina.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry