Milamina sa haolo ny tanàna?

2009-07-13 @ 08:05 in Eritreritra mandalo, Politika

Ny teny voalohany saika hanombohako an'ity lahatsoratra ity dia hoe "Mampalahelo ny toe-draharaha ao Madagasikara"... kanefa tsy izay indray no ampiasaiko satria manjary lasa fihetseham-po fotsiny ilay izy. Satria toa tsy mampalahelo ny toe-draharaha ao Madagasikara... tsy misy olona mampalahelo tsy miantso vonjy izany mantsy. Ka andao atao hoe milamina ny tanàna... na farafaharatsiny mandrimandry manan-draharaha.

Andao atao hoe efa tafita mihitsy e. Efa tsy mandry andriran'antsy intsony fa efa eo tsara ny fandriam-pahalemana. Mazava ho azy, rehefa mahantra ny olona dia mangalatra sy manendaka. Fa amin'izao efa tsy mahantra intsony ny olona. Manana ny ampy daholo ka na mandeha manamorona ny tetezan'i Bekiraro aza ianao no mitondra Gourmet Ngenjy dia tsy hisy hikasika... hidera anao aza angamba ny sasany hoe "Mba tsara koa izany gourmet-nareo zany an"...

Efa niverina ho mora daholo indray ny sakafo sy ny zavatra tena ilain'ny be sy ny bobaka andavanandro. Nisy tokoa mantsy teo aloha ny fanaovana ampihi-mamba an'ireny PPN ireny. Ka nony nesorina ny mpanao ampihimamba dia tokony ho betsaka amin'izay ny vary, menaka, ronono sns... satria efa afaka manamboatra menaka sy ronono daholo izay te hanamboatra. Sady tokony ho mora amin'izay fa efa mandeha tsara ny fifaninanana.

Efa malalaka daholo amin'izay ny fanehoan-kevitra satria nesorina teo amin'ny toerany ilay jadona. N'iza n'iza te hiteny ao amin'ny radio sy fahitalavitra dia afaka miteny. Ny TVM sy ny RNM efa mandefa ny feon'ny vahoaka rehetra fa tsy ny an'ny mpitondra fotsiny intsony.

Efa nofy sisa izany resaka mivarotra tanindrazana izany. Ilay rangahy nitondra teo aloha mantsy saika nivarotra an'i Madagasikara ambongadiny. Amin'izao efa filamatra ny hoe "Madagasikara an'ny Malagasy" ka tsy amidy na tany na rano na ala. Mpanenjika fitondrana izany nilaza hoe mivarotra rano izany. Asa fanasoavana no atao.

sns...

Angamba efa ireo no mitranga matoa tsy misy mihetsika firy ny olona afats'izay pro-zao sy pro-zao. Toa tsy fantany ilay hoe "Manaiky matoa tsy miteny". Ny sasany dia manao hoe "Olona leo politika"... ka aleo hihinan'ny tadiny ao i Madagasikara. Ny Fiangonana aza, ilay mpiahy ny madinika sy ory, toa tsy heno... angamba tsy ory sy madinika intsony ny olony. Raha taloha mantsy ny Fiangonana dia miteny avy hatrany rehefa misy voakitikitika ny rariny sy ny hitsiny. Impiry ireny i Mgr. Odon sy ny FFKM koa no niaka-peo rehefa nisy ny tsy nety teo amin'ny fitondrana. Ka angamba matoa izy ireo tsy miaka-peo dia milamina ny tanàna.

Koa inona intsony no holazaina raha efa milamina daholo ny tanàna? Tsy izay ve no ilaina?... asa anefa

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry