Izay folo taona izay

2009-10-08 @ 20:49 in Serasera.org, Eritreritra mandalo

Dia naverimberina tetsy sy teroa fa feno 10 taona ny serasera. Dia nanao hetsika be na ny taty Eoropa na ny tany Dago tamin'ny 2 sy 3 oktobra teo ho fanombohana ny fankalazana. Nahafinaritra daholo ny fankalazana. Ambondrona no tao Parisy, Vontovorona ny tany Madagasikara. Fa tsy ho hay ny tsy hanao jery todika fohy dia fohy... tsy dia mpijery todika tokoa aho fa mpibanjina ny eo anoloana.

Amin'ny ankapobeny aloha dia mahafapo ahy ny fandroson'ny serasera. Na dia tsy mihazakazaka araka ny andrandrain'ny olona aza dia azo lazaina fa tsy misy fihemorana. Amin'izao fotoana izao dia manana sites ampolony ny serasera. Mbola tsy naka fotoana mihitsy aho nitanisana azy rehetra ka angamba hotanisaina eto amin'ity lahatsoratra ity. Nandritra ny fampidirana tao amin'ilay Ambondrona dia betsaka ny tsy votonon'izy telo dahy. Enga koa anie ka tsy hisy ho hadinoko.

Ireto ary ny takelaka anisan'ny lehibe vokarin'ny serasera.org : Namana, Tononkalo, Tononkira, Dinika - forum, Bizna - Antso filazana, Antsary, Tahiry, Lalao, Ohabolana, KlipGasy, Infogasy, Sarin-tava, Baiboly, Filazana manjò, RadioVazoGasy, Blaogy.com, Blaogy.org, Lisitra, Takelaka.org, Wikianja, Karajia - Resaka mivantana fa misy koa ny takelaka madinidinika sy zana-takelaka.

Mahafapo ihany koa ny mbola fototra ijoroan'ny serasera hatramin'izay ka hatramin'izao dia ny fampifandraisana ny Malagasy erantany. Fampifandraisana satria na dia eo aza ny Facebook dia mbola manana ny lanjany ihany ny fifandraisana eo anivon'ny serasera. Mahatratra an'aliny (40.000 latsaka) ny mpikambana mavitrika ao amin'ny serasera amin'izao fotoana izao ankoatr'ireo izay efa nandalo ka niala. Malagasy satria anisan'ny mampiavaka ny serasera ny maha Malagasy. Marina fa teknika sy teknolojia vahiny no ampiasaina kanefa hita ihany ny fototra maha-malagasy. Erantany satria hatrany am-piandohany dia natao indrindra ho fanovozam-baovao ho an'ireo rehetra lavitra an'i Madagasikara ny serasera. Hatrany Argentine ka hatrany Japon, hatrany Afrika atsimo ka hatrany Norvezy... dia misy Malagasy ao amin'ny serasera.

Mahafapo ny fiaraha-miasa amin'ireo namana izay tsy mamela ho irery fa miara-mikolokolo ny serasera. Hatrany am-boalohany dia efa niaraha-misalahy ny fitantanana ny serasera... ary hatramin'izao dia tsy miasa irery mihitsy ny tena fa samy mandray izay tandrify sy azony atao ny tsirairay. Namana tsy voatery hitovy hevitra, tsy voatery ho iray saina, tsy voatery ho mpinamana be... kanefa mahay miara-miasa ka manjary harena ny tsy fitoviana.

Mahafapo koa fa efa miezaka ny mahavita tena ny serasera. Efa tsy misy vola mivoaka am-paosin'ny fianakaviana intsony fa vitan'ny dokam-barotra an-tselika eny. Noezahina sy hiezahana hotazomina hatrany mantsy ny maha maimaim-poana ny serasera.

Ary ny zavatra tsy mahafa-po?

Mino aho fa misy, fa ny olona no tena mahita azy. Fa hoy ilay mompera nampianatra anay izay hoe "Manampy kokoa amin'ny fandrosoana ny mijery ny fahombiazana noho ny mijery ny zavatra tsy nety" 

Sary sombiny nandritra ny fankalazana tao Paris niaraka tamin'Ambondrona

                   

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry