Helen et 600 Kg d'or pur

2011-01-31 @ 09:26 in Sarimihetsika

Manomboka miverina tsikelikely ny fiainana andavanandro taorian'iny vakansy lava tany Dago iny (wawawa). Dia nanomboka niverina nijery sarimihetsika koa aho. Ny manamboatra clip aloha mbola tsy tafa mihitsy.Ka ny sarimihetsika roa nojereko tamin'iny herinandro iny dia nahafinaritra daholo. Ny iray aloha dia ilay Helen (2009) izay andraisan'i Ashley Jude anjara. Anisan'ny mpilalao tiako izy io amin'ny fahaizany miditra tanteraka ao anatin'ny endriky ny olona lalaoviny, sahala amin'i Jodie Foster koa. Tamin'ity dia tampoka be ny fivadiky ny tantara ka na izaho aza tsy naharaka tsara hoe fa nisy inona... raha tsy niverenana nojerena.

 

Ny faharoa dia 600kg d'or pur. Sarimihetsika frantsay izay azo atao hoe vita tsara. Ilay toerana nanaovana azy sy ny fomba nanatanterahana azy no hitako tombony satria tsy irony tantara frantsay eo ambony latabatra sy misakafo fotsiny irony fa tena ainga be any anaty ala mihitsy. Mahazo mpijery be dia be io raha alefa amin'ny salle video any Dago :-) 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry