Aide-semeur (ou le parabole du semeur positivé)

2013-07-09 @ 09:23 in Eritreritra mandalo

Voninkazo adaladala

Lasa saina kely nieritreritra ilay mpamafy "adaladala" ao amin'ny Baiboly (Jereo eto) aho io maraina io. Ilay mpamafy izay nandeha namafy fotsiny n'aiza n'aiza. Ny sasany latsaka teny amoron-dalana, ny sasany latsaka tanaty tany be vato, ny sasany latsaka tanaty tsilo, ary ny sasany latsaka tamin'ny tany lonaka. Samy nanana ny niafarany ireo voa nafafy ireo fa izay nilatsaka tamin'ny tany lonaka no nahafa-po indrindra. Ny tena mpamafy tokoa aloha tsy mamafy voa eny amorondalana sy amin'ny tany tsy hahavokatra loatra... fa mba hahatsaratsara kokoa ilay tantara dia andao eritreretina hoe voninkazo ilay afafiny fa tsy vary.

Na izany aza nefa dia mbola manahirana ihany no mieritreritra an'ilay mpamafy tsy mifidy tany hohadiana. Koa mba hahatsara ny vokatra azo mandritra ny famafazana rehetra andao asiana "Supporting actor". Ny supporting actor dia ilay olona izay ao anatina tantara izay mandray anjara (fa tsy figurant fotsiny) nefa tsy ilay mpilalao  voalohany (tsy acteur principal). Dia iny izany ilay mpanampy ny mpamafy. 

Ny asan'ilay mpanampy dia ny manitsy izay fahadisoana nataon'ilay mpamafy, ny toerany dia eo aorian'ilay mpamafy foana. Rehefa mamafy eny amin'ny arabe ilay mpamafy dia anjaran'ilay mpanampy no mitsimpona avy hatrany ny voa nafafy sy mampirina izany mba hafafiny amin'ny tany lonaka. Tsy ho tonga hihinana ny voa, noho izany, ny voro-manidina. Rehefa mamafy any anaty vatovato ilay mpamafy, sarotra ihany ny hitsimpona ny voa nafafy, ka ny ataon'ny mpanampy dia miandry an'ireo tsimoka hitsiry, ka raha vao mitsiry ireo dia ongotana tsirairay ary afindra amin'ny tany lonaka. Ho an'ireo voa izay milatsaka anaty tsilo indray izay sarotra ongotana ihany, dia anjaran'ny mpanampy no miava azy. Diovina sy esorina ny tsilo sy kirihitr'ala ka rehefa maniry ilay voa dia tsy hisy tsilo hangeja azy. Ary ireo izay latsaka eny amin'ny tany lonaka moa dia karakarain'ilay mpanampy mba ho avo zato heny avokoa

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry