Ary naka... atero ny eto!

2013-08-07 @ 21:07 in Eritreritra mandalo

Resaka hafa tena tsy misy idirany mihitsy aloha. Ny ahy ho'aho rehefa fotoana fialantsasatra tahaka izao ny tena (ie, fialantsasatra aho io lol) no tena reraka kokoa. Ny antony dia araraotina atao daholo babay sy lohavohitra. Izay faniriana nipetrapetraka nandritra ny andro fiasana rehetra dia mandritra ny fialantsasatra no anaovana azy. Be kokoa izany ny atao amin'ny fotoam-pialantsasatra noho ny amin'ny fotoana fiasàna. Hany ka rehefa miditra miasa dia reraka beeee... dia any am-piasàna vao tena miala sasatra. Angamba tahaka izany koa ianareo :-) koa mazotoa mandrera-tena amin'ny fialan-tsasatra ary.

Fiara mora be :-)

Fa ny tena resaka dia ity fitapitaka ataondry zalahy eto amin'ny internet ity. Raha resaka varotra moa ka hoe samy manao izay hahazoany mpividy dia mba ekeko ihany - na dia henoko aza izany siosion-dresaka nataon'ny mpandraharaha iray izay nivarotra ordinatera mora be ho an'ny Malagasy, kinanjo hay hafa ny milina tao anatiny fa tsy araka ilay nanaovana dokambarotra. Fa misy ny sasany mbola lalina loatra. Manao izay hahazoana araka izay tratra vola any aminao na dia tsy misy varotra atao akory aza.

Zava-mitranga, tsy indray na indroa fa matetika, misy takelaka iray izay ahitana olona maro be mivarotra fiarakodia eto Italia eto. Tena betsaka mihitsy ary indraindray mahaliana dia mahaliana ny vidiny. Eritrereto hoe Audi A3 mbola tsara no amidiny 2.000 Euro. Ny mahagaga dia rehefa mamaly ilay tolo-barotra ianao dia mitovitovy foana toa izao foana ny valin-teny azo:

  • Tsy mbola eto Italia aho fa aty Afrika, na Amerika, etc. Izany hoe tsy eo an-toerana ilay mpivarotra
  • Misy olona omeko fahefana hifandrahadraha aminao 
  • Tsy ny vola no tena antony nivarotako an'io fiara io, izay no mahatonga azy ho mora
  • Omeo ahy ny mombamomba anao (Anarana, fanampiny, adiresy hanateraka ny fiara, sns...)

Ny valiny amin'izany dia teny italiana hita hoe nadika tamin'ny google avy amin'ny teny frantsay. Ny fahitako azy dia tahaka ireny fitaka avy any Afrika momba ireny email milaza hoe nahazo vola ireny. Ataony izay hifandraisana aminao sy handreseny lahatra anao handefa na dia vola kely fotsiny aza amin'ny alalan'ny Western Union... dia eo ianao no raisina raha sendra mihanahana.

Koa ny aza voany ihany ary fa dia aleo mailo.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry