Warning: Declaration of CachedTemplate::fetch($cacheId) should be compatible with Template::fetch($resource_name = NULL, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL, $display = false) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 41

Warning: Declaration of CachedTemplate::display($cacheId) should be compatible with Template::display($resource_name, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 75
Moines amin'ny endriny vaovao? | Hery - Tsiky dia ampy |

« | »

Moines amin'ny endriny vaovao?

2006-07-03 @ 22:20 in Eritreritra mandalo

Zavatra iray tsikaritro eto Roma, eto amin'ity tanàna azo lazaina hoe Masina ity, no nahatonga saina ahy omaly teo am-piandrasana bus. Eto Roma dia betsaka ny mpangataka amoron-dalana. Izy aloha tsy mandrebireby anao fa mijanona fotsiny eo amin'ny sisin-dalana, mandohalika, dia asiany kapoaka eo anoloany.

Fa omaly aho dia nandinika tsara ny nataon'ity tovovavy iray anisan'ireo mpangataka ireo. Mandohalika eo amoron-dalana izy, ny akanjony tsy dia tsara loatra saingy tsy rotidrotika ihany koa. Akambany ny tanany, tahaka ireny mivavaka ireny. Misy kapoaka iray eo anoloany... misy vola madinika vitsivitsy sy sary iray. Sarin'i Jesoa. Tsy mijery ny olona mandalo izy fa miondrika, ary indraindray ihany vao mihiratra. Raha tena dinihana izany dia toa mivavaka izy.

Ny toetra sy ny fomba toa izao dia mampatsiahy ny fanaon'ny moines taloha izay mbola misy fikambanana vitsivitsy manao azy amin'izao fotoana izao. Dia ilay hoe mivelona amin'ny fangatahana sy ny vavaka. Amin'izao fotoana izao ny ankamaroan'ny moines dia miasa... ny bénédictins ohatra dia mifototra mihitsy amin'ny hoe "Ora et labora" izany hoe Mivavaka sy Miasa... mba hivelomana. Fa misy fikambanan'ny moines taloha, izay mbola misy vitsivitsy manohy hatramin'izao, dia tsy miasa ry zareo fa mangataka mba hivelomana. Raha mahazo izy dia tsara, raha tsy mahazo dia tsy mihinana. Tsy ny moines katolika ihany no manao an'izany fa na ny moines bouddhistes ihany koa aza. Endriky ny fahantrana tanteraka sy fanatanterahana ara-bakiteny ny nolazain'i Jesoa hoe "Ilaozy izao rehetra izao dia avia manaraka ahy". I Md. Francois d'Assise moa no tena anisan'ny nanao an'io. Zanaka mpanakarem-be izy fa teo imason'ny rehetra teo izy dia nesoriny ny akanjony rehetra (nolazain'ny olona hoe lasa adala) dia lasa nandeha lavitra nanamboatra trano bongo kely, nitafy gony, ary nivelona tamin'ny fangatahana.

Ny tena antony mahatonga azy ireo manao izany ihany koa, ankoatran'ilay fiainana ny fahantrana, dia mba hialàna amin'ny fiahiana (soucis) amin'izao fiainana izao... ka mba ho afaka hanantanteraka antsakany sy andavany ny sitrapon'Andriamanitra. Mivavaka fotsiny fa tsy miahy izay hohanina.

Amin'izao fotoana izao dia somary sarotra heverina izany, indrindra ho an'ny tany mahantra, fa taloha, fony mbola betsaka ny nahalala ny lanjan'ny fivavahana, dia betsaka ny nankatò izany fomba izany. Ny olona tamin’izany mantsy dia nahatsapa fa ilainy ny fanampian’Andriamanitra kanefa noho ny asany sy ny fiahiany loatra ny fiainany dia tsy manam-potoana akory izy hivavahana. Dia nataony toy ny solon’ny fanatonana an’Andriamanitra ny fanomezana sakafo sy fivelomana ireny moines ireny. Ny moines kosa amin’izay fotoana izay dia manana fotoana betsaka kokoa hivavahana… ary manana adidy hitondrana am-bavaka ireo olona izay manome sakafo azy.

Dia lasa karazana takalo fifanampiana izany ilay izy. Ny olona ety ivelany miasa mafy ka tsy afaka mivavaka dia manome sakafo an’ireo moines mivavaka mafy ka tsy afaka miasa.

Dia toa izany no handraisako ireo mpangataka vitsivitsy eto Roma izay mandohalika mandavan-taona eny amoron-dalana eny. Izany ihany koa angamba no mahatonga ny olona manome vola azy ireny. Raha tena mivavaka tokoa izy ireny dia azo antsoina hoe endriky ny Moines vaovao izay mahafoy ny androny manontolo hivavahana ho an’ireo izay tsy afaka mivavaka tsara akory. Dia anjaran’ireo izay tsy dia afaka mivavaka firy indray no miantoka ny fiveloman’izy ireny.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry