Merry Madagascar en video

2009-11-26 @ 21:06 in Sarimihetsika

Ny tena mahaliana ahy amin'ity Video ity dia ilay Kilalaka nandritra ny segondra vitsivitsy. Nandihy kilalaka i Dadabenoely :-)

 

Miala any Riffeur sy ny fandaharana Rock Metal ma-ve-sa-tra

2009-11-24 @ 15:29 in Politika

Manomboka amin'ny alakamisy izao dia hiverina indray ny fandaharana Rock Metal ao amin'ny RadioVazoGasy.com. Isaky ny alakamisy amin'ny 8 ora sy sasany alina (Ora Paris) dia hanainga antsika amin'ny mavesatra indray Riffeur izay efa nanao izany teto amin'ny RadioVazoGasy hatramin'ny volana vitsivitsy lasa izay.

Amin'ity indray mitoraka ity dia mbola tsy be teny i leiry fa amin'ny fandaharana ho avy dia hisy toy ny mahazatra ny fampahafantarana ny tontolon'ny Rock Mavesatra, ny vaovao momba ny hira sy ny mpihira.

Dia ao indray izany mihaona e. 

Eritreritra mandalo

2009-11-23 @ 15:41 in Serasera.org

Eo am-pampidirana tsikelikely ny Eritreritra mandalo ao amin'ny namana.serasera.org aho amin'izao. Efa nandeha nanomboka omaly izany. Ny Eritreritra mandalo dia toerana hampidiranao izay zavatra tianao hozaraina amin'ny olona fotsiny tsotra izao.

Raha efa nampiasa valam-piarahamonina hafa ianao (myspace, facebook, orkut, hi5, buddypress) dia io no ilay antsoindry zareo hoe "status", na "fil d'idées", na "wall" na "wire"... Dia nisalasala aho hoe inona no hiantsoana azy eto amin'ny serasera? Saika natao hoe "Indraim-bava" fa tsy dia niraikitra loatra na dia fohy aza. Koa dia eritreritra mandalo no hita fa mety.  

Azo zaraina daholo izay mandalo fa aza ratsy eritreritra fotsiny. 

http://namana.serasera.org/namana/post 

Inona no idiran'i Kotity amin'izany?

2009-11-18 @ 04:46 in Politika

Efa henonareo ve io fomba fiteny io? "Inona no idiran'i Kotity amin'izany?" Matetika rehefa miresaka miaraka iny dia misy mitsatsaingoka tampoka hoe "Inona no idiran'i kotity amin'izany?"... tsy nisy resaka Kotity mihitsy teo ary tsy misy idiran'ilay fanontaniana akory. Ny niandohany angamba dia satria angamba mafy loatra tamin'ny olona ny nataon'i Kotity ka dia nafatratra tany amin'i Kotity daholo ny zava-nitranga rehetra teo amin'ny fiainany. Na dia ny akoho matin'ny barika aza dia i Kotity no omena tsiny. Taty aoriana moa dia navoakan'i Andry Rajoelina avy any Tsiafahy i Kotity satria resy lahatra izy fa tsy namono olona izany ilay rangaha io fa gadra politika fotsiny. (tohiny)

Sambatra izay noana

2009-11-17 @ 09:58 in Ankapobeny, Izaho sy ny ahy

Nanomboka omaly ny fihaonana an-tampon'ny FAO izay vondron'ny firenena mikambana miahy ny ara-tsakafo. Efa hita tselika sahady fa tsy dia hisy vokany loatra ho an'izay tena miandrandra zavatra azo tsapain-tanana ny fivoriana. Betsaka aza moa ireo filoham-pirenena goavana tsy tonga fa angamba nihevitra izany fivoriana izany ho toy ny fandaniana andro ihany. 

Maherin'ny iray lavitrisa hono ny olona noana eran-tany. Izany hoe ny 1/6-n'ny mponina eran-tany... izany hoe raha mahita olona enina ianao amin'ny ankapobeny dia ny iray amin'ireo mijalin'ny hanoanana. Mazava ho azy, tsy hitanao mivantana izay satria tsy mitsinjara akory ilay hanoanana. (Ahitsiko, raha toa ka mahita olona 6 ianao ka tsy mahita olona 1 mijalin'ny hanoanana dia eritrereto hoe any ambadika any izany misy mahita olona 2 mijalin'ny hanoanana ao anatin'ny 6.)

Ny antso avo azo atao ho an'ny tsirairay amin'izao fotoana izao angamba dia ny hoe, rehefa mba tsy noana dia aza manary sakafo. Aza mandanilany foana fa misy olona noana antapitrisany any maniry ny hihinana ny latsaka ao ambany latabatrao.

Fa iverenako ny lohateny hoe "Sambatra izay noana" izay ao amin'ny baiboly (Mt. 5,6) izay raisin'ny mpitory teny anjambany fotsiny vokatry ny fitsimponana andininy ka mampitombo ny fandrebirebena fanahy sy tsy mampitroatra ny voan'ny tsindry hazo lena. Voalohany aloha dia tsy hoe "sambatra izay tsy ampy sakafo" no tiany lazaina satria izy aza nalahelo tamin'ny nahita ny olona noana ka nanjary nanao fahagagana nampitombo ny mofo mihitsy mba hamokisana azy. Fa hoy izy hoe "Sambatra izay noana sy mangetaheta fahamarinana"... dia ny tohiny hoe "fa ho voky izy". Faharoa, raha ampifandraisina amin'ilay hoe "Sambatra izay mahantra am-panahy" dia tsy midika tsy fahampiana fotsiny ilay hanoanana eto, ka mahatonga fahakiviana sy fiononana, fa midika fitadiavana mitarika fanantenana sy fahafaham-po. Farany, ny olona noana no mahita tsirony rehefa misakafo :-)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2009 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry